Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:3 - DIEM PROTESTANTA

Nitondra fanomezana teo anatrehan’ny TOMPO ireo, dia sarety enina mirakotra sy omby 12 ka sarety iray no avy amin’ny filoha roa ary omby iray no avy amin’ny filoha iray. Nentiny teo anoloan’ny Fonena-masina avokoa ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary izy ireo dia nitondra ny fanatiny teo anatrehan’NY TOMPO, dia sarety enina mirakotra sy omby roa amby folo, koa sarety iray sy omby iray avy ny avy tamin’ny lehiben’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia noentin’izy ireo teo anoloan’ny tabernakely izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nitondra fanomezana teo anatrehan’ny TOMPO ireo, dia sarety enina mirakotra sy omby 12 ka sarety iray no avy amin’ny filoha roa ary omby iray no avy amin’ny filoha iray. Nentiny teo anoloan’ny Fonena-masina avokoa ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nentiny teo anatrehan’i Iaveh ny fanatiny; sarety mirakotra enina, ary omby roa ambin’ny folo, izany hoe: sarety iray no avy amin’ny filohany roa, ary omby iray, avy amin’ny filohany iray. Teo anoloan’ny Fonenana no nanolorany an’ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan’i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin’ny folo, dia sariety iray no avy amin’ny lohan’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan’ny tabernakely izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izy ireo nitondra ny fanatiny teo anatrehan'i Jehovah, dia sariety enina mirakotra sy omby roa ambin'ny folo, dia sariety iray no avy amin'ny lohan'ny firenena roa, ary omby iray avy; dia nitondra ireo teo anoloan'ny tabernakely izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary izy ireo dia nitondra ny fanatiny teo anatrehan’NY TOMPO, dia sarety enina mirakotra sy omby roa amby folo, koa sarety iray sy omby iray avy ny avy tamin’ny lehiben’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia noentin’izy ireo teo anoloan’ny tabernakely izany.

Jereo ny toko



Nomery 7:3
7 Rohy Ifampitohizana  

Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.


Dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nasaina nataony. Koa nomen’i Jôsefa sarety izy araka ny baikon’ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.


Rehefa tonga tao an-tranon’ny TOMPO tany Jerosalema izy rehetra, dia nanao fanomezana an-tsitrapo ny loham-pianakaviana sasantsasany mba hananganana indray ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay toerany taloha.


–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.


Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.


Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba anareo. Indro hataoko mikonainaika eo amin’izay misy anareo avy ianareo tahaka ny ikonainaihan’ny sarety vesaram-bary.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: