Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 45:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ankehitriny, efa nomena teny ianao ka ataovy izao: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo ary ento ny rainareo ka mankanesa atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Omeko fahefana ianao hilaza aminy hoe: ‹Izao no hataonareo: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa aty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary ankehitriny efa nomena teny hianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin’ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Tsy tokony halahelo izay fanaka ilaozany any izy, satria hipetraka amin’ny faritra lonaka indrindra eto amin’ny tany Ejipta manontolo.


Dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nasaina nataony. Koa nomen’i Jôsefa sarety izy araka ny baikon’ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.


Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray


Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.


Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.


Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.


Nitondra fanomezana teo anatrehan’ny TOMPO ireo, dia sarety enina mirakotra sy omby 12 ka sarety iray no avy amin’ny filoha roa ary omby iray no avy amin’ny filoha iray. Nentiny teo anoloan’ny Fonena-masina avokoa ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra