Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 45:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nasaina nataony. Koa nomen’i Jôsefa sarety izy araka ny baikon’ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia nataon’ny zanak’Israely izany ka nomen’i Josefa sarety, araka ny tenin’i Farao, izy ireo; nomeny vatsy koa hoentiny eny an-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Dia notanterahin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay nasaina nataony. Koa nomen’i Jôsefa sarety izy araka ny baikon’ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Dia nataon’ny zanak’i Israely izany. Nomen’i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin’i Faraôna, ary vatsy koa hohaniny eny an-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary nataon’ny Zanak’Isiraely izany, ka dia nomen’i Josefa sariety izy, araka ny tenin’i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dàlana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia nataon’ny zanak’Israely izany ka nomen’i Josefa sarety, araka ny tenin’i Farao, izy ireo; nomeny vatsy koa hoentiny eny an-dalana.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:21
12 Rohy Ifampitohizana  

Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin’ny rainy.


Tsy tokony halahelo izay fanaka ilaozany any izy, satria hipetraka amin’ny faritra lonaka indrindra eto amin’ny tany Ejipta manontolo.


Fa nambaran’izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain’i Jôsefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan’i Jôsefa hitondrana azy i Jakôba rainy, dia nahazoazo aina indray


Dia niala tao Beera-Seba i Jakôba. Ary ireo zanakalahiny dia nitondra an’i Jakôba rainy sy ireo zaza amam-behivavy tao anatin’ny sarety izay efa nalefan’ny Farao hitondrana azy.


Dia nizotra toy izany tamin’io andro io ny fanompoana ny TOMPO mba hankalazana ny Paska sy hanolorana ny sorona dorana manontolo eo ambony alitaran’ny TOMPO, araka ny fepetra nataon’i Jôsià mpanjaka.


Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.


Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.


Tandremo ny baikon’ny mpanjaka. Efa nianiana taminy teo anatrehan’Andriamanitra ianao,


Rariny ny nataon’ny TOMPO, satria efa nanohitra ny baikony aho. Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto ka jereo ny fijaliako: ny tovovaviko sy ny tovolahiko dia samy lasa ho any an-tsesitany.


Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin’ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; hoentiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.


Dia nataon’i Mosesy ny fanisana azy ireo, araka izay nandidian’ny TOMPO azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra