Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 45:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Ary samy nomeny akanjo indray miova avy izy rehetra, fa i Benjamina kosa dia nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo indimy miova.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamîna kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjami­na kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 45:22
7 Rohy Ifampitohizana  

Nasain’i Jôsefa samy norosoana ny sakafo matsiro avy teo anatrehany izy mirahalahy avy, fa ny an’i Benjamîna dia nataony indimy tahaka ny anjaran-drery tamin’ireo zokiny rehetra. Dia nanaram-po nisotro divay niaraka tamin’i Jôsefa izy ireo.


Ary izao koa no nampitondrain’i Jôsefa ho an-drainy: borikilahy folo nivesatra ny zava-tsoa avy tany Ejipta sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary sakafo hafa ho an’ny dian-drainy mianakavy.


Ka hoy ny mpanjakan’i Siria: –Mandehana àry mankany amin’ny mpanjakan’i Israely, fa hampitondra taratasy ho azy aho. Dia lasa i Nahamàna nitondra volafotsy telonjato kilao sy volamena enimpolo kilao ary akanjo fitondra mianjaika folo.


Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan’ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.


Ary i Samsôna nilaza tamin’ireo hoe: –Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin’ny fito andro fanaovam-panasàna ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.


Dia nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelôna izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an’ireo nilaza ny valin’ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsôna ka niakatra nody tany amin’ny rainy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra