Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 7:1 - DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andro namitan’i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin’ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny andro nahavitan’i Mosesy ny fananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy izy, nanosotra sy nanamasina ireo izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andro namitan’i Mosesy ny fananganana ny Fonena-masina no nanosorany sy nanokanany azy niaraka tamin’ny kojakoja rehetra momba azy; nohosorany sy notokanany tahaka izany koa ny alitara mbamin’ny kojakoja rehetra momba azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tamin’ny andro nahavitan’i Môizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, hatramin’ny ôtely mbamin’ny fanaka rehetra momba azy koa, rehefa nanosotra sy nanamasina an’ireo izy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY tamin’ny andro izay nahavitan’i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tamin'ny andro izay nahavitan'i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny andro nahavitan’i Mosesy ny fananganana ny tabernakely* dia nanosotra sy nanamasina azy sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy izy, nanosotra sy nanamasina ireo izy.

Jereo ny toko



Nomery 7:1
15 Rohy Ifampitohizana  

Koa notahîn’Andriamanitra sady natokany ny andro fahafito satria io no nitsaharany tamin’ny asany rehetra maha mpahary Azy.


Io andro io ihany no nanokanan’ny mpanjaka ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran’ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan’ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.


–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.


«Isan’andro dia hanolotra ombilahy iray ho sorona ahazoana famelan-keloka ianao. Hataonao izany hanadiovana ny alitara fisoronana; ary horarahanao diloilo ny alitara mba hanokanana azy.


Hohosoranao ilomasina koa ny kovetabe sy ny faladiany ka izany no hanokananao azy.


–Lazao i Elehazara mpisorona zanakalahin’i Aharôna mba hanala ny fitaovana fandoroana zava-manitra ao anaty forohona sy hanely lavitra ny vainafo satria zava-masina ireny fitaovana ireny.


Tamin’ny andro nanosorana ny alitara, dia ireo filoham-pianakaviambe koa no nitondra fanomezana ho fitokanana azy. Samy nitondra ny fanomezany avy teo anoloan’ny alitara izy ireo.


Ireto ny fitambaran’ny fanomezana natolotr’ireo filoham-pianakaviamben’i Israely tamin’ny andro nanosorana sy nanokanana ny alitara: lovia volafotsy 12, kaopy volafotsy famafazana 12, lovia kely volamena 12,


Ny biby rehetra natao sorom-pihavanana kosa dia ombilahy 24, ondrilahy 60, osilahy 60, ondrilahikely 60 izay iray taona avy. Ireo no fanomezana natolotra ho fanokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.


Tsy misaina sady jamba ianareo! Inona no mendri-kaja kokoa, ny fanatitra sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?