Amin’ny andro izay hiverenany ao an-kianja anatiny amin’ny Toeramasina, dia hanolotra sorona fanalana ny ota izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Nomery 6:9 - DIEM PROTESTANTA Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay voatokana, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mahaloto ny fanokanan-tenany, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fidiovany izy, izany hoe afaka herinandro. Baiboly Katolika Raha misy olona maty tampoka eo anilany, ka voaloto ny lohany voahasina dia hoharatany ny lohany amin’ny fandiovany azy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy, dia amin’ny andro fahafito no hanaratany azy; Malagasy Bible Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay fitokanany dia hanaratra ny lohany amin'ny andro fanadiovana azy izy, dia amin'ny andro fahafito no hanaratany azy; La Bible en Malgache Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay voatokana, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy. |
Amin’ny andro izay hiverenany ao an-kianja anatiny amin’ny Toeramasina, dia hanolotra sorona fanalana ny ota izy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin’ny tenany ary handro amin’ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian’izany, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy mandritra ny fito andro.
Amin’ny andro fahafito, dia hoharatany avokoa ny volo eo amin’ny tenany, na volon-doha na somotra na manjamaso na volo hafa rehetra; ary hanasa fitafiana izy sady handro amin’ny rano, dia hadio.
Dia hanaratra ny lohany eo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana ilay nanokan-tena; ary halainy izany volon-dohany izany ka hatsipiny ao anatin’ny afo izay mirehitra eo ambanin’ilay sorom-pihavanana.
Mbola tafajanona elaela tao Kôrinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoilà. Talohan’ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.
Hitan’ny Jiosy avy amin’ny faritany Azia tao an-kianjan’ny tempoly i Paoly nony efa ho tapitra ny herinandro fidiovana. Nampikotaba ny vahoaka manontolo ireo Jiosy ireo; ka sady nisambotra an’i Paoly
Hoentin’io lehilahy io ho ao an-trano ravehivavy, ka hiharatra volon-doha sy hanala hoho,