Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 6:5 - DIEM PROTESTANTA

Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiny ho nazareàna, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan’i Iaveh, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volon-dohany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.

Jereo ny toko



Nomery 6:5
9 Rohy Ifampitohizana  

«Tsy hanaratra ny lohany tanteraka ny mpisorona, nefa tsy hanao lava volo fa hanety azy tsara.


Mandritra ny fotoana rehetra maha Nazirita azy dia tsy hihinan-javatra natao amin’ny voaloboka izy, eny, fa na dia ny voany mbamin’ny hodiny aza.


Mbola tafajanona elaela tao Kôrinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoilà. Talohan’ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.


noho ianao efa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary io zanakao io dia tsy azo hetezana volon-doha, satria ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo izy. Izy no hanomboka hanafaka ny Israelita amin’ny fangejàn’ny Filistinina.


ary nanambara tamin’i Delilà ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: –Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.


Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.


sy voady izao: «Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, mba jereo tokoa ny alaheloko ka tsarovy fa aza hadinoina; raha mba omenao zanakalahy anankiray aho, dia hatolotro ho ANAO kosa izy amin’ny androny rehetra; ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.»