Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.
Nomery 6:16 - DIEM PROTESTANTA Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO ireo; hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatiny dorana manontolo; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoentin’ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo fanatitra ireo, vao hatolony ny sorona fanalana ny ota sy ny sorona dorana manontolo. Baiboly Katolika Hatolotry ny mpisorona ho an’i Iaveh ireo; hatolony koa ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany; Malagasy Bible Dia haterin'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah ireo; ary hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany; La Bible en Malgache Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO ireo; hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatiny dorana manontolo; |
Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.
Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.
Dia hametra-tanana amin’ny lohan’ny vantotr’ombilahy roa ny Levita, ka ny iray hataonao sorona fanalana ny ota ary ny iray ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO, alohan’ny hanaovana amin’ny Levita ny fombam-pivavahana famelan-keloka.