Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.
Nomery 5:10 - DIEM PROTESTANTA Azy ny zava-masina aterin’ny olona tsirairay; ary na inona na inona omen’ny olona ny mpisorona dia azy koa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ho azy koa ny zava-masina aterin’ny olona rehetra; na inona na inona omen’ny olona ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Azy ny zava-masina aterin’ny olona tsirairay; ary na inona na inona omen’ny olona ny mpisorona dia azy koa. Baiboly Katolika azy avokoa ny zavatra atokan’ny olona rehetra na iza na iza. Izay omen’ny olona ho an’ny mpisorona dia ho azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho azy ny zava-masina aterin’ny olona rehetra; na inona na inona omen’olona ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany. Malagasy Bible Ary ho azy ny zava-masina aterin'ny olona rehetra; na inona na inona omen'olona ho an'ny mpisorona, dia ho azy izany. La Bible en Malgache Ho azy koa ny zava-masina aterin’ny olona rehetra; na inona na inona omen’ny olona ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany. |
Noho izany, rehefa manao sorom-pihavanana amiko ny Israelita rehetra, dia hanavaka ny soron-kena sy ny tratrany amin’ireo biby mba ho anjara raikitra ho an’i Aharôna sy ny taranany: zavatra avahana ho Ahy TOMPO izany.
Eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany ihany no hihinananareo azy, fa anjaranao sy ny zanakao izany ambiny avy amin’ny fanatitra ho an’ny TOMPO izany araka ny baiko nomeny ahy.
Nomen’i Mosesy an’i Elehazara mpisorona ny hetra natao ho fanatitra ho an’ny TOMPO, araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.