Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 10:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany ihany no hihinananareo azy, fa anjaranao sy ny zanakao izany ambiny avy amin’ny fanatitra ho an’ny TOMPO izany araka ny baiko nomeny ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Hohaninareo eo amin’izay fitoerana masina izany fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ny fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Izany no nandidiany ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Eo amin’ny faritra voatokana ho an’izany ihany no hihinananareo azy, fa anjaranao sy ny zanakao izany ambiny avy amin’ny fanatitra ho an’ny TOMPO izany araka ny baiko nomeny ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hano eo amin’ny fitoerana masina izany, fa anjaranao sy anjaran’ireo zanakao, avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Iaveh, araka ny didy azoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary hano eo amin’izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary hano eo amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 10:13
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ralehilahy tamiko: «Ireo efitrano avaratra sy efitrano atsimo izay manoloana ny kianja ireo dia efitrano voatokana. Ao amin’ireo efitrano ireo manko ny mpisorona izay manatona ny TOMPO no mihinana ny zava-masina indrindra. Eny, voatokana io faritra io, ka ao no ametrahana ny zava-masina indrindra, dia ireo fanatitra vokatry ny tany sy ireo biby natao sorona ho fanalana ny ota sy ho fanonerana.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany.


Ireo didin-kena avy amin’ny sorom-pihavanana ataon’ny Israelita, izany hoe ny tratrany izay nahevaheva no fomba fanolorana azy sy ny feny izay navahana manokana, dia eo amina toerana madio no hihinananareo azy; ianao sy ny taranakao lahy ary ny taranakao vavy koa aza no hihinana azy fa nomena ho anjaranao sy ny taranakao ireo didin-kena ireo.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.


ny fanatitra rehetra avy amina mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy misy tavela hohanina.»


ka hataonareo sakafo. Ny lehilahy rehetra ao amin’ny ankohonanareo ihany no mahazo mihinana azy satria sakafo masina izany.


Azy ny zava-masina aterin’ny olona tsirairay; ary na inona na inona omen’ny olona ny mpisorona dia azy koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra