Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 32:4 - DIEM PROTESTANTA

anisan’ny tany izay azon’ny Israelita noho ny fanampian’ny TOMPO. Tany tsara iompiana biby izany; ary izahay rahateo dia manana biby fiompy maro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ireo tany noresen’NY TOMPO teo anoloan’ny fiangonan’ny Israely ireo dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondry ary ny mpanomponao dia manana omby aman’ondry.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

anisan’ny tany izay azon’ny Israelita noho ny fanampian’ny TOMPO. Tany tsara iompiana biby izany; ary izahay rahateo dia manana biby fiompy maro.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

izay tany nofaizin’i Iaveh teo anoloan’ny fiangonan’i Israely dia tany tsara ho fiandrasana biby fiompy; ary ny mpanomponao be biby fiompy»,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ireo tany noresen’i Jehovah teo anoloan’ny fiangonan’ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman-ondry;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ireo tany noresen’NY TOMPO teo anoloan’ny fiangonan’ny Israely ireo dia tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondry ary ny mpanomponao dia manana omby aman’ondry.

Jereo ny toko



Nomery 32:4
9 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak’i Hama; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an’ny andian’ondriny tao.


Fa i Israely kosa haveriko amin’ny kijana fiandrasana azy, ka hirao-bilona any Karmela sy any Basàna; ary eo an-tendrombohitr’i Efraîma sy ao Gilehada no hahafa-po sy hahavoky azy.


TOMPO ô, ny tehinao no ento miandry ny vahoakanao, dia ny andianondry fanananao, izay mitoka-monina eo amin’ny tany be akata voahodidina saha mahavokatra; aoka izy handrasana any Basàna sy Gilehada tahaka ny tamin’ny andro taloha.


Nasian’ny Israelita tamin’ny lelan-tsabatra kosa i Sihôna ka azony ny taniny voafaritr’i Arnôna ao atsimo sy i Jabôka ao avaratra ary ny sisin-tanin’ny Hamônita, dia ilay sisin-tany ao atsinanana.


Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aza matahotra azy, fa hatolotro eo an-tananao izy sy ny tafiny manontolo ary ny taniny; ka tahaka ny nanaovanao an’i Sihôna, mpanjakan’ny Amôrita, izay nanjaka tao Hesbôna, no hataonao aminy.


Dia nasian’ny Israelita tsy nisy niangana i Hôga sy ny zanany ary ny tafiny manontolo, ka lasany ny taniny.


Hoy koa ny Reobenita sy ny Gadita hoe: –Raha ekenao ihany ny soso-kevitray, ry Mosesy, dia aoka io tany io mba homena anay ho zarataninay, fa aza entina mita an’i Jôrdàna izahay.


avy eo Izy dia nandroaka teo anoloanareo firenena maro izay lehibe sy matanjaka noho ianareo, mba hampidirany anareo amin’ny taniny sy hanomezany izany ho fanananareo, tahaka ny amin’izao anio izao.