Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 21:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Nasian’ny Israelita tamin’ny lelan-tsabatra kosa i Sihôna ka azony ny taniny voafaritr’i Arnôna ao atsimo sy i Jabôka ao avaratra ary ny sisin-tanin’ny Hamônita, dia ilay sisin-tany ao atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ny Israely ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatrany amin’ny taranak’i Amona; fa nisy manda mafy ny sisintanin’ny taranak’i Amona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Nasian’ny Israelita tamin’ny lelan-tsabatra kosa i Sihôna ka azony ny taniny voafaritr’i Arnôna ao atsimo sy i Jabôka ao avaratra ary ny sisin-tanin’ny Hamônita, dia ilay sisin-tany ao atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 I Israely namely azy tamin’ny lelan-tsabatra, ka nahazo ny taniny hatrany Arnôna ka hatrany Jabaoka, hatreo amin’ny zanak’i Amôna, fa mafy ny faritry ny tanin’ny zanak’i Amôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary ny Isiraely namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ny taranak’i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ny taranak’i Amona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:24
24 Rohy Ifampitohizana  

Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.


Nanome azy fanjakana sy firenena maro Ianao, dia nitsinjara ho azy ny faritanin’ireny, ka lasany ny tanin’i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna sy ny tanin’i Hôga mpanjakan’i Basàna.


dia i Sihôna mpanjakan’ny Amôrita, –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Izaho anefa no nandringana ny Amôrita teo anatrehany, dia olona ranjanana tahaka ny hazo sedera ary matanjaka tahaka ny hazo ôaka; eny, nopotehiko avokoa na ny fotony na ny voany.


Niala teo indray izy, dia nitoby tao an-dafin’ny renirano Arnôna izay mipoitra any amin’ny faritanin’ny Amôrita ary mamakivaky ny taniefitra, vao manamorona ny sisin-tanin’i Môaba ka mampisaraka ny faritry ny Môabita sy ny faritry ny Amôrita.


Taorian’ny nandresen’i Mosesy an’i Sihôna, ilay mpanjakan’ny Amôrita sady nonina tao Hesbôna, sy taorian’ny nandreseny tao Edrehỳ an’i Hôga, ilay mpanjakan’i Basàna sady nonina tao Hastarôta, no nitrangan’izany.


Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin’ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase.


Ny Reobenita sy ny Gadita dia nomeko ny ampahan’i Gilehada miafara amin’ny lohasahan-driaka Arnôna (ka tao afovoan’io lohasahan-driaka io no sisintany), sy miafara amin’ny lohasahan-driaka Jabôka izay sisin-tany mampisaraka amin’ny Hamônita;


Tahaka ny nataon’ny TOMPO tamin’i Sihôna sy i Hôga, mpanjaka amôrita, izay naringany mbamin’ny taniny, no hataony amin’ireo firenena ireo koa.


ka tody tany andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna; teo an-dohasaha tandrifin’i Bety-Pehôra ny Israelita tamin’izay, tao amin’ny tanin’i Sihôna izay mpanjaka amôrita nonina tao Hesbôna. Nony tafavoaka an’i Ejipta i Mosesy sy ny Israelita, dia nandresy an’i Sihôna


mbola anisan’izany koa ny fanjakan’i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela ary nanjaka tao Hastarôta sy Edrehỳ tany Basàna. Resin’i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny.


Rehefa izany vao nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôrita izay monina any ampita atsinanan’i Jôrdàna ianareo; niady taminareo ry zareo, nefa natolotro teo an-tananareo ka lasanareo ny taniny ary naringako teo anoloanareo izy.


sy izay rehetra nataony tamin’ireo mpanjaka amorîta roa lahy tany ampitan’i Jôrdàna: dia i Sihôna mpanjakan’i Hesbôna, sy i Hôga mpanjakan’i Basàna izay nonina tany Hastarôta.


Dia hoy ny TOMPO tamin’ny Israelita: –Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina


Dia hoy ny mpanjakan’ny Hamônita tamin’ireo irak’i Jiftà: –Fony niakatra avy tany Ejipta ny Israelita, dia naka ny taniko hatreo amin’ny lohasahan’i Arnôna ka hatrany amin’ny renirano Jabôka sy hatrany Jôrdàna. Koa ankehitriny avereno amiko am-pilaminana ireo faritany ireo.


Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron’olona tamin’ny fokon’i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra