Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 21:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aza matahotra azy, fa hatolotro eo an-tananao izy sy ny tafiny manontolo ary ny taniny; ka tahaka ny nanaovanao an’i Sihôna, mpanjakan’ny Amôrita, izay nanjaka tao Hesbôna, no hataonao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; hataonao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Ka hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Aza matahotra azy, fa hatolotro eo an-tananao izy sy ny tafiny manontolo ary ny taniny; ka tahaka ny nanaovanao an’i Sihôna, mpanjakan’ny Amôrita, izay nanjaka tao Hesbôna, no hataonao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana izay nonina tao Hesebona.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Aza matahotra azy hianao, fa efa natolotro eo an-tànanao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary hianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; hataonao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 21:34
24 Rohy Ifampitohizana  

Nanontany ny TOMPO i Davida nanao hoe: –Hiakatra hanafika ny Filistinina ve aho? Hatolotrao eo an-tanako ve izy ireo? Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Davida: –Eny, miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.


Fa nisy mpaminany nanatona an’i Ahaba mpanjakan’i Israely ka nanao hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Hitanao va ireo miaramila marobe ireo? Hatolotro eo an-tananao ireo anio, ka dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.»


Dia nanatona ilay olon’Andriamanitra ka niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Satria nataon’ny Sirianina fa Andriamanitry ny tendrombohitra ihany ny TOMPO fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka koa, dia hatolotro eo an-tananao ireo miaramila marobe ireo, ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.»


Saingy mbola zavatra kely eo imason’ny TOMPO ihany izany; fa hanolotra ny tanin’i Môaba eo an-tananareo koa Izy.


Satria Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay mitantana anao amin’ny tanan-kavananao sady mamerimberina aminao hoe: «Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.»


Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.


anisan’ny tany izay azon’ny Israelita noho ny fanampian’ny TOMPO. Tany tsara iompiana biby izany; ary izahay rahateo dia manana biby fiompy maro.


Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.


«Mihainoa, ry miaramila israelita! Efa hanafika fahavalo ianareo izao, koa aza rera-po na matahotra na mikoropaka foana na mangorohoro eo anatrehany.


Dia nihodina niakatra tamin’ny lalana mankany Basàna isika; ary niainga hiady amintsika tao Edrehỳ i Hôga mpanjakan’i Basàna, mbamin’ny tafiny manontolo.


I Hôga mpanjakan’i Basàna manko no hany sisa tavela tamin’ny Refaîta. Mbola hita ao Rabà, renivohitry ny Amôrita, ny vatam-paty misy azy, dia vatam-paty natao tamin’ny vato vy voapaika ka efatra metatra sy sasany ny halàvany ary roa metatra ny sakany araka ny refy mahazatra.


Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an’ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.


Raha ianareo hiteny anakampo hoe: «Maro noho izahay ireo firenena ireo, ka hataonay ahoana no fandroaka azy?»,


dia aza matahotra azy ianareo. Tsarovy tsara kosa izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ny Farao sy tamin’i Ejipta manontolo.


Aza matahotra ireny firenena ireny ianareo, fa eo afovoanareo ilay TOMPO Andriamanitrareo, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.


Dia hatolony eo an-tananareo koa ny mpanjakany ka ho foananareo tsy ho re laza intsony eto amin’izao tontolo izao; tsy hisy olona hahatohitra anareo mandra-paharinganareo azy.


Ary hoy i Josoa tamin’ny mpitari-tafika: –Aza matahotra na mivadi-po! Aoka ho sahy sy hahery ianareo fa tahaka izao no hataon’ny TOMPO amin’ny fahavalo rehetra izay hiadianareo.


fa hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Aza atahoranao ny mpanjaka amôrita satria hatolotro ho eo an-tananao ireo ka tsy hisy afaka hanohitra anao!


Amin’izay ianareo no hipoitra avy ao amin’ny famitsahana ka haka ny tanàna, satria hatolotry ny TOMPO ho eo an-tananareo i Hay.


Ary nivoady tamin’ny TOMPO i Jiftà ka nanao hoe: –Raha hatolotrao tokoa eo an-tanako ny Hamônita,


Ary i Davida nanontany indray ny Tompo, ka novaliany hoe: –Mandehana mankany Kehilà, fa hatolotro ho eo an-tananao ny Filistinina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra