Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 3:9 - DIEM PROTESTANTA

Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Homenao an’i Arona sy ireo zanany lahy ny levita, fa efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Israely ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

hatolotrao ny Levita ho an’i Aarôna sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary homenao an’i Arona sy ny zanani-lahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Isiraely ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Homenao an’i Arona sy ireo zanany lahy ny levita*, fa efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Israely ireo.

Jereo ny toko



Nomery 3:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.


Ary ny levîta naman’ireo no nanankinana ny fanompoana hafa rehetra momba ny Tranolay fihaonana, tao an-tranon’Andriamanitra.


Ny amin’ireo mpanampy ny Levita koa dia ny terak’ireto olona manaraka ireto: i Tsihà, i Hasofà, i Tabahôta,


Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.


Nentin’ireto iraka koa ny lehilahy 220 notsongaina tamin’ireo mpanampy ny levita, dia ilay sokajin’olona notendren’i Davida sy ny loholona mba hanompo ny levita. Samy notononina anarana avokoa ireo lehilahy ireo.


Tsy ampy anareo ve ny nanavahan’ilay Andriamanitr’i Israely anareo tamin’ny fiangonan’i Israely mba hahafahanareo manakaiky Azy, ka hanaovanareo ny asa fanompoana ao amin’ny Fonena-masin’ny TOMPO ary hankalazanareo ny fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’ny fiangonan’i Israely?


Ento miaraka aminao koa ireo levita mpiray foko aminao, fa izy ireo no ho mpanampy anao sy ho mpanomponao rehefa mankeo amin’ny Tranolay misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ianao sy ny taranakao;


Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin’ny Tranolay.


Dia toy izany no hanavahanao amin’ny Israelita hafa ny Levita mba ho Ahy.


satria efa nomena Ahy avy tamin’ny Israelita mihitsy izy ireo mba ho solon’ny lahy voalohan-teraka rehetra, dia ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Israelita.


Fa ny Levita kosa no nalaiko ho solon’ny lahimatoa rehetra amin’ny Israelita.


Ary natolotro an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita hisolo ny Israelita mba hanao ny fanompoana ao amin’ny Tranolay fihaonana sy hanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka azy ireo; dia tsy hisy loza hanjo ny Israelita intsony raha manakaiky ny Toeramasina izy ireo.»


Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an’ny olona, ka nanao ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, ny sasany ho mpiandry sy ho mpampianatra.


Izany no ilazan’ny Soratra Masina hoe: «Raha miakatra any amin’ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an’ny olona.»