Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
Nomery 3:2 - DIEM PROTESTANTA Nanan-janaka efatra mirahalahy i Aharôna, ka i Nadaba no lahimatoa, ny sisa dia i Abihò sy i Elehazara ary i Itamara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izao ny anaran’ireo zanakalahin’i Arona: I Nadaba lahimatoa, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanan-janaka efatra mirahalahy i Aharôna, ka i Nadaba no lahimatoa, ny sisa dia i Abihò sy i Elehazara ary i Itamara. Baiboly Katolika Ny anaran’ny zanaka lahin’i Aarôna dia izao: Nadaba lahy matoa, Abiò, Eleazara, ary Itamara. Baiboly Protestanta Malagasy Ny anaran’ny zanakalahin’i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara. Malagasy Bible Ny anaran'ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba lahimatoa sy Abiho ary Eleazara sy Itamara. La Bible en Malgache Toy izao ny anaran’ireo zanakalahin’i Arona: I Nadaba lahimatoa, i Abiho, i Eleazara ary Itamara. |
Ny amin’ireo taranak’i Aharôna dia nisy fitsinjarana azy ho antokony. Ny zanakalahin’i Aharôna dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
Maty talohan-drainy sady tsy nanan-janaka i Nadaba sy i Abihò; koa dia i Elehazara sy i Itamara no nanao ny raharaha maha mpisorona.
«Ry Mosesy, ampanatòny ho eo akaikinao i Aharôna rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin’ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin’ny fisoronana.
I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
Tamin’izay kosa dia samy naka ny fanembohany avy ry i Nadaba sy i Abihò, zanakalahin’i Aharôna, ka nanisy vain’afo teo anatiny sy nametraka vovo-javamanitra teo ambonin’ny vain’afo ary nanolotra izany teo anatrehan’ny TOMPO: zavatra tsy mifanaraka amin’izay nandidian’ny TOMPO azy izany.
Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna ary tamin’i Elehazara sy i Itamara zananilahy sisa velona: –Alao ny fanatitra lafarinina ambiny, rehefa nesorina ny ampahany nolevonina tamin’ny afo mba ho an’ny TOMPO; dia ataovy mofo tsy misy leviora ka hano eo anilan’ny alitara, satria zava-masina dia masina izany sakafo izany.