Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
Nomery 23:11 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Balàka tamin’i Balahama: –Fa inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nitondrako anao atỳ, kanefa dia ny nitsodrano azy indray no nataonao! Baiboly Katolika Dia hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Fa inona ity nataonao tamiko, ny hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo vao mainka mitso-drano ihany no ataonao?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Balaka tamin’i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa hianao. Malagasy Bible Dia hoy Balaka tamin'i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao. La Bible en Malgache Dia hoy i Balaka tamin’i Balama: Inona izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nakako anao, kanjo ny nanome azy tsodrano feno indray no nataonao! |
Tsy mba nitsena sakafo sy rano ny Israelita manko ry zareo, fa nanamby an’i Balahama hanozona azy; kanjo nampodîn’Andriamanitsika ho fitahiana kosa ny fanozonana.
«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»
Fa hitafotafo mihitsy ny voninahitra izay homeko anao, ary hataoko avokoa izay holazainao amiko rehetra. Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io.»
Fa novalian’i Balahama hoe: –Moa tsy ny hilaza izay teny nataon’ny TOMPO tao am-bavako ihany ve no andraikitro.
Vinitra aoka izany tamin’i Balahama i Balàka ka niteha-tanana handrahona azy sady nanao taminy hoe: –Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa fanintelony izao ianao no nitsodrano azy.