Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 23:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba izay marobe tahaka ny vovotany na mahisa ny ampahefatry ny Israelita? Enga anie ny fahafatesako ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo, ary enga anie ny fiafaràko ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Iza no mahaisa ny vovok’i Jakoba na ny isan’ny ampahefatry ny Israely akory? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesako ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Zovy no mahisa ny taranak’i Jakôba izay marobe tahaka ny vovotany na mahisa ny ampahefatry ny Israelita? Enga anie ny fahafatesako ho toy ny fahafatesan’ireo olo-marina ireo, ary enga anie ny fiafaràko ho toy ny fiafaràn’ny vahoaka israelita!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Iza no mahisa ny vovok’i Jakôba, Na mahisa ny ampahefatr’i Israely? Enga anie ka ho toy ny fahafatin’ny olo-marina ny fahafatiko, Ary hanahaka ny fiafaràny ny fiafaràko!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Iza no mahisa ny vovok’i Jakoba, Na ny isan’ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesako, Ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Iza no mahisa ny vovok'i Jakoba, na ny isan'ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan'ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Iza no mahaisa ny vovok’i Jakoba na ny isan’ny ampahefatry ny Israely akory? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesako ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 23:10
20 Rohy Ifampitohizana  

Hohamaroiko tahaka ny vovo-tany ny taranakao ka tsy ho hita isa, tahaka ny tsy ahazoan’ny olona manisa ny vovo-tany.


fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.


Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.


Tsy sitraky ny TOMPO velively ny hahafatesan’ny mpivavaka aminy.


Diniho ny olom-banona, jereo ny olo-mahitsy, dia ho tsapanao tokoa fa ny hasambarana no valiny omena ny olona toy izany.


Ny ratsy ataon’ny olon-dratsy no mahavery azy; fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.


Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Reobena dia mitontaly 151 450. Ireo no mandeha faharoa.


Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Efraîma dia mitontaly 108 100. Ireo no mandeha fahatelo.


«Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Dana dia mitontaly 157 600. Ireo kosa no ho vodilaharana. «Dia samy handeha miaraka amin’ny fanevany avy ireo vondron-tafika efatra ireo.»


Ny vatan-dehilahy ao anatin’ny tobin’i Joda dia mitontaly 186 400. Ireo no mpialoha lalana ny vahoaka israelita.


Matin’ny Israelita koa ny mpanjaka midianita dimy lahy, dia i Evỳ sy i Rekema, i Tsoro sy i Hora ary i Reba. Novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ihany koa i Balahama zanakalahin’i Behôra.


Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan’olona fa narafitr’Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.


Ary reko nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Soraty izao: «Sambatra ireo maty, izay maty amin’ny fanompoana ny Tompo manomboka izao! Eny, hoy ny Fanahy Masina, aoka izy ireo hahazo fitoniana amin’ny fisasarany, fa ny asany manaraka azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra