Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 21:6 - DIEM PROTESTANTA

Koa nandefasan’ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin’ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nandefasan’ny TOMPO bibilava misy poizina ny vahoaka; ary nokekerin’ireo bibilava ireo ny Israelita ka marobe no maty noho izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary i Iaveh tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka: nokaikerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran-afo teny amin’ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely.

Jereo ny toko



Nomery 21:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Aza mifaly ambony ihany ianareo, ry Filistinina rehetra, na dia tapaka aza ny tsorakazo izay nikapohana anareo, satria hisy menarana hipoitra avy amin’ny fatin’ny bibilava ary hisy dragona manidina hipoitra avy amin’ny atodin’ny menarana.


Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.


Indro bibilava misy poizina no halefako hamely anareo, dia menarana tsy azon’ody; ka hanaikitra anareo tokoa izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


«Na koa handefasako biby masiaka amin’izany tany izany, ka hahalao azy satria hovonoin’ireo biby ireo ho faty ny mponina eo aminy ary tsy hisy handalo intsony eo noho ny tahotra ireo biby.


Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.


Izy no nitondra anareo hitety taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay ahitana menarana misy poizina sy maingoka; kanefa izany tany mangentana tsy misy rano izany no nampiboiboihany rano ho anareo, avy tamin’ny vatolampy mafy indrindra.