Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 2:18 - DIEM PROTESTANTA

«Amin’ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin’ny tobin’i Efraîma, ka ahitana ny tafika efraîmita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Efraîma dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda miaraka amin’ny vatan-dehilahy 40 500; ho an’ny fokon’i Manase dia i Gamaliela zanakalahin’i Pedahatsoro miaraka amin’ny vatan-dehilahy 32 200; ho an’ny fokon’i Benjamîna dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ miaraka amin’ny vatan-dehilahy 35 400.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Amin’ny lafiny andrefana no hisy ireo tafika mivondrona ao amin’ny tobin’i Efraîma, ka ahitana ny tafika efraîmita sy manasita ary benjaminita. Ny vatan-dehilahy voaisa ho afa-mitam-piadiana dia hotarihin’ny filoha anankiray avy amin’ny fokony araka izao: ho an’ny fokon’i Efraîma dia i Elisamà zanakalahin’i Hamihoda miaraka amin’ny vatan-dehilahy 40 500; ho an’ny fokon’i Manase dia i Gamaliela zanakalahin’i Pedahatsoro miaraka amin’ny vatan-dehilahy 32 200; ho an’ny fokon’i Benjamîna dia i Abidàna zanakalahin’i Gidehônỳ miaraka amin’ny vatan-dehilahy 35 400.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ny taranak’i Efraima dia Elisama, zanak’i Amihoda;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny fanevan'ny tobin'i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin'ny lafiny andrefana; ary ny lohan'ny taranak'i Efraima dia Elisama, zanak'i Amihoda;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.

Jereo ny toko



Nomery 2:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.


Tonga am-pitomaniana izy ka narahiko sady nampiononiko. Any amin’ny lemaka misy rano no hitarihako azy ary lala-mahitsy no hizorany ka tsy ho tafintohina izy. Ho Ray Aho amin’i Israely, ary ho lahimatoako i Efraîma.»


i Elisamà zanak’i Hamihoda no avy amin’ny fokon’i Efraîma zanak’i Jôsefa; i Gamaliela zanak’i Pedahatsoro no avy amin’ny fokon’i Manase zanak’i Jôsefa;


Ny fanevan’i Efraîma mbamin’ny antokon-tafiny no nanainga manaraka; ny tafiky ny taranak’i Efraîma dia notarihin’i Elisamà, zanakalahin’i Hamihoda;


Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»