Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany.
Nomery 17:8 - DIEM PROTESTANTA Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nankeo anoloan’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana i Mosesy sy i Aharôna. Baiboly Katolika Nandroso teo anoloan’ny trano lay fihaonana i Môizy sy i Aarôna, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ny trano-lay fihaonana. Malagasy Bible Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana. La Bible en Malgache Dia nankeo anoloan’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy i Arona. |
Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany.
Avy eo Tsiôna anie ny TOMPO Andriamanitra no hanitatra ny fahefàm-pitondranao! Enga anie hiharan’ny fanapahanao eo anivon’ireo fahavalonao manodidina Anao!
Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon’ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon’ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon’io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Amin’izany andro izany, izay ampanirin’ny TOMPO eo amin’ny tany dia ho tabiha sy ho voninahitra ho an’izay sisa velona teo amin’i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.
Amin’izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany.»
Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.
Nisy afo nivoaka avy tao amin’ny tahony ka nandevona ny rantsany sy ny voany; dia tsy misy intsony rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy.» Tononkiram-palahelovana izany ka tokony hohiraina amin’alahelo.
ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.
Izany dia fahatsiarovana ho an’ny Israelita mba tsy ho olon-kafa ankoatra ny taranak’i Aharôna no hanatona handoro ny vovo-javamanitra eo anatrehan’ny TOMPO; izay sahy hanao izany dia hiharan’ny nanjo an’i Kôra sy ny namany, araka izay nambaran’ny TOMPO tamin’i Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.
tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.