Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.
Nomery 16:7 - DIEM PROTESTANTA dia asio vainafo ao anatin’ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin’izany eo anatrehan’ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin’ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak’i Levỳ. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia asio vainafo ao anatin’ireny rahampitso ary andraraho vovo-javamanitra eo ambonin’izany eo anatrehan’ny TOMPO. Ho hita eo izay hofidin’ny TOMPO ka ho masina. Ampy izay, ry taranak’i Levỳ. Baiboly Katolika Rahampitso dia hasianareo afo ireo, ary zava-manitra no hataonareo eo amboniny, eo anatrehan’i Iaveh: izay hofidin’i Iaveh dia izay no masina. Ka aoka izay ry zanak’i Levỳ.» Baiboly Protestanta Malagasy dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay hianareo, ry taranak’i Levy! Malagasy Bible dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin'i Jehovah, dia izy no ho masina; fa aoka izay ianareo, ry taranak'i Levy! La Bible en Malgache dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy! |
Tao an-toby kosa dia nisy nialona i Mosesy sy i Aharôna ilay voatokana ho an’ny TOMPO.
Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?
ka niteny tamin’i Kôra sy ny namany hoe: –Rahampitso dia hasehon’ny TOMPO izay Azy sy izay masina ary izay afaka manakaiky Azy; dia izay hofidiny no hampanakaikeziny Azy.
Izao no ataovy, ry Kôra sy ianareo namany rehetra: Makà fitaovana fandoroana zava-manitra,
Tsy mbola nahary ny tontolo Izy, dia efa nifidy antsika hiray amin’i Kristy; ka ho masina sady tsy hisy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra isika. Noho ny fitiavany antsika,
Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay ny aminareo, ry havana notiavin’ny Tompo. Fa nofidin’Andriamanitra ho toy ny santa-bokatra hatolotra Azy ianareo, ka hahazo famonjena noho ianareo voatokan’ny Fanahy Masina mba ho an’Andriamanitra ary noho ianareo nino ny hafatra marim-pototra.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan’Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan’Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin’ny haizina ho any amin’ny fahazavana mahagaga.