Dia nilaza Andriamanitra fa handringana azy; kanjo i Mosesy ilay voafidiny dia nanelanelana teo anatrehany ka nisakana ny hatezerany tsy hamongotra.
Nomery 11:2 - DIEM PROTESTANTA Dia nitalaho sy nikiakiaka tamin’i Mosesy ny vahoaka; koa nifona tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia maty ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nitalaho sy nikiakiaka tamin’i Mosesy ny vahoaka; koa nifona tamin’ny TOMPO i Mosesy, dia maty ny afo. Baiboly Katolika Dia nibabababa tamin’i Môizy ny vahoaka, ary i Môizy nifona tamin’i Iaveh, ary maty ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin’i Jehovah, dia maty ny afo. Malagasy Bible Dia nitaraina tamin'i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin'i Jehovah, dia maty ny afo. La Bible en Malgache Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo. |
Dia nilaza Andriamanitra fa handringana azy; kanjo i Mosesy ilay voafidiny dia nanelanelana teo anatrehany ka nisakana ny hatezerany tsy hamongotra.
sady niantso hoe: –Tompo ô, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.
Angamba ho ren’ny TOMPO Andriamanitrao ny tenin’ilay dekà asirianina izay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria tompony hanevateva an’Andriamanitra velona; ka hofaizin’ny TOMPO Andriamanitrao izy noho izany. Fa manandrata vavaka ianao ho an’ireo sisa tavela amin’ny vahoakany.»
Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!
I Tsedekià mpanjaka kosa dia naniraka an’i Jokaly, zanakalahin’i Selemià ary koa i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ho any amin’i Jeremià mpaminany ihany hanao aminy hoe: –Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin’ny TOMPO Andriamanitsika.
dia nanatona an’i Jeremià mpaminany ka niteny taminy hoe: –Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin’ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.
Ka hoy i Aharôna tamin’i Mosesy: –Meloka izahay, tompoko, koa aoka re tsy havalinao aminay izany toetran’adala amam-pahotanay izany!
Dia nankeo amin’i Mosesy ny vahoaka sisa ka nanao hoe: –Efa nanota izahay fa nanome tsiny ny TOMPO sy ny tenanao. Koa ifony re ny TOMPO mba hanala ireo bibilava ireo aminay. Dia nifona ho an’ny vahoaka i Mosesy.
Dia hoy i Simôna tamin’i Petera sy i Jôhany: –Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin’ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.
Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.
Koa mieke heloka ianareo samy ianareo, ary mifampivavaha mba hahasitrana anareo; fa mahery fiasa tokoa ny fivavaky ny olo-marina.
Raha misy mahita ny namana iray finoana manao ota tsy mahafaty, dia aoka izy hivavaka ho azy ary Andriamanitra no hanome azy fiainana: izay ny amin’ireo manao ota tsy mahafaty. Fa misy ota mahafaty, ka tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka izy.