Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.
Nomery 10:21 - DIEM PROTESTANTA Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-piavin’ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny niainga manaraka dia ny Kehatita nitondra ny fitaovana masina; ny levita sasany dia nanangana ny tranolay mandra-pahatongan’izy ireo. Baiboly Katolika Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny. Malagasy Bible Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny. La Bible en Malgache Dia niainga ny Kehatita, nitondra ny fitoerana masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-piavin’ireo. |
Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.
Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.
Rehefa hiainga kosa ny Fonena-masina, dia ny Levita no hangorona azy; ary rehefa hijanona ny Fonena-masina, dia ny Levita no hanangana azy. Fa izay olon-kafa mitady hanatona eo dia hatao maty.
Nahorona ny Fonena-masina, dia niainga nitondra azy ny taranak’i Gersôna sy ny taranak’i Merarỳ.
«Dia handroso ny Tranolay fihaonana sy ny andian’ny Levita eo anelanelan’ny vondron-tafika roa mialoha sy ny vondron-tafika roa manaraka. Handroso araka ny filaharany eo amin’izay itobiany ihany ny levita, ka hanaraka ny fanevan’ny tarika misy azy avy.
Fa ny taranak’i Kehàta kosa tsy mba nomeny, satria izy ireo no tompon’andraikitra momba ny fitaovana masina, ka tsy maintsy milanja izany eo an-tsoroka.