mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.
Nomery 10:2 - DIEM PROTESTANTA –Manaova trômpetra volafotsy roa tsara voatefy, izay hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny toby. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova trompetra volafotsy roa; voatefy no hanaovanao azy. Ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Manaova trômpetra volafotsy roa tsara voatefy, izay hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny toby. Baiboly Katolika «Manaova trômpetra volafotsy roa; ka ataovy amin’ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy. Baiboly Protestanta Malagasy Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. Malagasy Bible Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. La Bible en Malgache Manaova trompetra volafotsy roa; voatefy no hanaovanao azy. Ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. |
mbamin’ny mpandatsa-biriky sy ny mpipai-bato ary koa hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny simba amin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantohana izay fandaniana hafa rehetra ilaina amin’izany.
Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.
Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.
«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.
Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton’ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.
Ataovy ny fanairana an’i Joda ary ampandreneso ny ao Jerosalema Tsofy ao amin’io tany io ny anjomara, ka miantsoantsoa mafy hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra ao amin’ny tanànamimanda.
Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.
Manokàna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina; angony ny loholona sy ny mponina rehetra eto amin’ny tany ho ao an-tranon’ny TOMPO Andriamanitrareo, ka miantsoa vonjy amin’ny TOMPO.
Tsofy ny trompetra ary asio antso fanairana, ao Tsiôna tendrombohitro masina. Mangovita ianareo mponina rehetra eto amin’ity tany ity, fa avy ny andron’ny TOMPO; eny, efa akaiky izany.
Ary raha ny fiangonana kosa no antsoina hivory, dia fitsofana lavareny no atao fa tsy arahina hoby akory.