Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 1:2 - DIEM PROTESTANTA

–Ataovy ny fanisana ny fiangonan’ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran’ny lehilahy rehetra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anaran’ny lehilahy tsirairay,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Ataovy ny fanisana ny fiangonan’ny Israelita rehetra araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ka raiso tsirairay ny anaran’ny lehilahy rehetra,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Alao isa ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran’ny lehilahy rehetra isam-batan’olona no hisaina tsirairay avy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anaran’ny lehilahy tsirairay,

Jereo ny toko



Nomery 1:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Niala avy tao an-tanàna Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokôta; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.


–Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin’ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin’ny fanisana.


Ny fitambaran’ny volafotsy voarotsaka tamin’ny fanisàm-bahoaka dia 3 017 kilao sy 750 grama araka ny lanja fampiasa ao amin’ny Toeramasina.


Izany dia mitovy amin’ny dimy grama isan’olona ho an’ny 603 550 lahy izay roapolo taona no ho miakatra tamin’ny fanisana.


ka novoriny ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohan’ny volana faharoa, dia nosoratany ny anaran’ny lehilahy israelita rehetra feno roapolo taona no ho miakatra araka ny fianakaviany sy ny fokony avy,


mifanaraka amin’ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy. Tao an-taniefitr’i Sinay no nanaovany ny fanisana.