Ary aoka hotandremanareo isan’andro ny didy sy ny lalàna ary ny didy izay nosoratany ho anareo; aza manaja ny andriamani-kafa.
Nehemia 9:13 - DIEM PROTESTANTA Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Ianao dia niteny taminy avy any an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fomba sy didy tsara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary. Baiboly Katolika Nidina tany an-tendrombohitra Sinaia Ianao, ka niteny tamin’izy ireo, avy any ambonin’ny lanitra, ary nanome azy fitsipika mahitsy, lalàm-pahamarinana, lalàna aman-didy lavorary. Baiboly Protestanta Malagasy Efa nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fomba sy didy tsara. Malagasy Bible Efa nidina tao ambonin'ny tendrombohitra Sinay Hianao, dia niteny taminy tany an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalana marina ary fomba sy didy tsara. La Bible en Malgache Nidina tao ambonin’ny tendrombohitra Sinay Ianao dia niteny taminy avy any an-danitra ka nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fomba sy didy tsara. |
Ary aoka hotandremanareo isan’andro ny didy sy ny lalàna ary ny didy izay nosoratany ho anareo; aza manaja ny andriamani-kafa.
Niakatra avy tany Babilôna i Hezrà; mpahay lalàna izy, ka fatra-pahalala tokoa ny lalàna izay nampitain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’i Mosesy. Nomen’ny amperôra an’i Hezrà avokoa izay rehetra nangatahiny, noho izy nombàn’ny herin’Ilay TOMPO Andriamaniny.
Ny toetra mahatoky no mivohitra amin’ny teninao; ny fitsipikao dia ara-drariny avokoa sy mandrakizay.
ka hoy i Mosesy hoe: –Izany indrindra no nandidian’ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an’ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.
Aoka izy ho vonona ho amin’ny rahafakampitso, fa amin’io andro io dia ho hitan’ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Izao no holazainao amin’ny Israelita: «Ianareo mihitsy no nahita fa avy any an-danitra Aho no niteny taminareo.
Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,
Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon’ny olona na ren’ny sofiny na hitan’ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin’izay matoky Azy.
Tonga avy any Temàna Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Paràna. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.
Tonga avy tany Sinay ny TOMPO, avy tany Sehîra no nisehoany tamin’ny vahoakany, avy tao an-tendrombohitra Paràna no namirapiratany. Otronin’ny anjely alinkisa no nahatongavany; avy teo amin’ny tanan-kavanany no nanjelanjelatra ny lalàna.
Moa efa nisy ve firenena nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo, tahaka ny efa renareo ka mbola velona ihany?
Avy tany an-danitra no nampandrenesany anareo ny feony hananarany anareo, ary teto ambonin’ny tany no nanehoany anareo ny afony lehibe; ka tao anatin’izany afo izany no nandrenesanareo Azy niteny.
Ary aiza no misy firenena, na dia lehibe aza, manana didy amam-pitsipika marina tahaka izao fehezan-dalàna arosoko eo anoloanareo anio izao?
Tany an-tendrombohitra sady avy tao anatin’ny afo no niteny nifanatrika taminareo ny TOMPO.