Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’ny Orîma sy Tomîma.
Nehemia 7:65 - DIEM PROTESTANTA Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’i Orîma sy Tomîma. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nilaza ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray mitondra ny Orima sy Tomima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’i Orîma sy Tomîma. Baiboly Katolika ary noraran’ny governora tsy hihinana ny zavatra masina indrindra izy ireo, mandra-pitsangan’izay mpisorona hanontany amin’Andriamanitra, amin’ny Orima sy ny Tomima. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. Malagasy Bible Ary ny governora nilaza fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan'izay mpisorona anankiray mitondra ny Orima sy Tomima. La Bible en Malgache Ary nilaza ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zava-masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray mitondra ny Orima sy Tomima*. |
Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’ny Orîma sy Tomîma.
Noho izany rehetra nanjo anay izany, dia fanomezan-toky mafy no nataonay sy naraikitray an-tsoratra. Taratasy nasiana tombokase izy io sady nosoniavin’ny mpanapaka anay sy ny levitanay ary ny mpisoronay.
Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana.
Ny fanomezan’ireo loham-pianakaviana dia volamena 168 kilao sy volafotsy 1 100 kilao ho an’ny rakitra hanaovana ny asa.
Nitomany ny vahoaka rehetra teo, raha nandre ny tenin’ny lalàna. Noho izany i Nehemià governora sy i Hezrà mpisorona sady mpahay lalàna ary ny levita izay nampianatra ny olona dia niteny tamin’izy rehetra hoe: –Voatokana ho an’ny TOMPO Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany!
Ary ianao, ry Mosesy, apetaho eo amin’ny saron-tratra fitsarana ny Orîma sy Tomîma mba hoentin’i Aharôna eny an-tratrany rehefa hiseho eo anatrehako Izaho TOMPO izy; tsy maintsy entin’i Aharôna mandrakariva eny aminy manko ireny isaky ny ho ao amin’ny Toeramasina izy mba hahazoany mamantatra ny sitrapoko momba ny Israelita.
Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.
Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia ho an’i Aharôna sy ny taranany; zava-masina dia masina izany sisa izany, satria ambin’ilay fanati-pahatsiarovana levonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO.
Izy kosa hiseho eo amin’i Elehazara mpisorona, izay hangataka ho azy eo anatrehako ny tinapaky ny Orima. Avy amin’izany no hitarihany ny Israelita rehetra, dia ny fiangonana manontolo, amin’ny toe-javatra rehetra.
Ny amin’ny taranak’i Levỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Tompo ô, ny Orîmanao sy Tomîmanao dia nankininao amin’ireto olona mahatoky Anao ireto, izay efa nozahanao toetra tany Masà sy nanarinao mafy teo amin’ny ranon’i Meribà.