Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin’ny boky firaketan’ny mpanjakan’i Israely izany. Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilôna, noho ny fahotany.
Nehemia 7:64 - DIEM PROTESTANTA Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, saingy tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana. Baiboly Katolika Nikaroka ny taratasy vavolombelon’ny firazanany izy ireo, fa tsy nahita, ka dia nolazaina ho tsy madio, tsy mahatana ny fisoronana; Baiboly Protestanta Malagasy Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana. Malagasy Bible Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, fa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin'ny fisoronana. La Bible en Malgache Ireo dia nitady ny soratra filazana ny razany, saingy tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana. |
Dia vita isa, araka ny firazanany avy, ny Israelita rehetra; ary indro efa voasoratra ao amin’ny boky firaketan’ny mpanjakan’i Israely izany. Ny olona tao Joda dia nentina ho babo tany Babilôna, noho ny fahotany.
«Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, satria nanala baràka ny fisoronana sady nanazimba ny fanekempihavananao tamin’ny mpisorona sy ny levita.»
Ka nomen’Andriamanitro hevitra aho hamory ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka mba hakana ny isany. Ary hitako ny boky nanoratana ny lisitr’ireo tafaverina voalohany avy any an-tsesitany, ka izao no hitako voasoratra tao:
«Nisy tamin’ireo mpisorona koa niharan’izany tarehin-javatra izany, dia ny taranak’i Hôbaià sy i Hakôtsa ary i Barzilay; (nantsoina araka izany anarana izany i Barzilay noho izy nanambady ny zanakavavin’i Barzilay izay avy any Gilehada).
Noraran’ny governora tsy hihinana ny zava-masina dia masina izy mandra-pitsangan’izay mpisorona anankiray hanapa-kevitra momba azy amin’ny alalan’i Orîma sy Tomîma.
«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.