Dia hoy aho tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa: –Be sady midadasika ny asa; ka dia voazarazara eny amin’ny manda sy mifanalavitra isika!
Nehemia 4:17 - DIEM PROTESTANTA Fa na izaho, na ny havako na ny mpanompoko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo mihitsy afa-tsy raha handro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ny zatovoko sy ny mpiambina izay nanaraka ahy dia samy tsy niala akanjo, fa samy nitana ny fiadiany sy ny rano. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa na izaho, na ny havako na ny mpanompoko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo mihitsy afa-tsy raha handro. Baiboly Katolika Fa na izaho, na ireo rahalahiko, na ny oloko, na ny mpiambina nanaraka ahy, dia tsy nisy niala akanjo; handro tokana matoa nanala azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory. Malagasy Bible Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin'ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory. La Bible en Malgache Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ny zatovoko sy ny mpiambina izay nanaraka ahy dia samy tsy niala akanjo, fa samy nitana ny fiadiany sy ny rano. |
Dia hoy aho tamin’ny loholona sy mpanapaka mbamin’ny vahoaka sisa: –Be sady midadasika ny asa; ka dia voazarazara eny amin’ny manda sy mifanalavitra isika!
Tamin’izany andro izany, dia hoy koa aho tamin’ny vahoaka: –Samia mitoetra eto Jerosalema ianareo mbamin’ny mpanomponareo mba hiambina antsika raha alina ary hiasa raha antoandro.
Mirongo sabatra avokoa ireo sady efa voasedra hiady. Misakelika ny sabany avy izy hiatrehana fanairana amin’ny alina.
Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin’ny fotoana nivoahan’ny hafatra mampanamboatra indray an’i Jerosalema, ka hatramin’ny fotoana isehoan’ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia hamboarina indray ny tanàna sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.
Tsy mba mifanosika izy, fa mandroso amin’ny lalany avy. Sahy misedra izay asehatra azy izy, fa tsy voasakan’izany.
satria varavarana lehibe no misokatra ho ahy hahazoako miasa tsara eto, na dia maro aza ny mpanohitra.
Raha ny olon-kafa aza manana izany zo izany, tsy mainka ve fa izahay? Kanefa tsy nampiasa izany zo izany izahay, fa dia nihafy tamin’ny zavatra rehetra, mba tsy hisakantsakanana ilay Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy.
amin’ny fitorianay ny marina ary amin’ny hery omen’Andriamanitra anay. Izay rariny no fiadiana ampiasainay hanafihana sy hiarovan-tena,
Aoka tsy ho azon’ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin’Andriamanitra.
Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.