Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 3:17 - DIEM PROTESTANTA

Nanarakaraka an’i Nehemià, dia namboatra koa ny levita notarihin’i Rehoma zanakalahin’i Banỳ; ary teo an-kilan’ireo i Hasabià, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà, dia namboatra ny manda ho an’ny faritra feheziny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanarakaraka an’i Nehemià, dia namboatra koa ny levita notarihin’i Rehoma zanakalahin’i Banỳ; ary teo an-kilan’ireo i Hasabià, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà, dia namboatra ny manda ho an’ny faritra feheziny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanamboatra nanaraka azy, ny Levita tarik’i Rehoma, zanak’i Benì. Nanamboatra teo anilany ho an’ny faritaniny, i Hasebiasa lehiben’ny antsasaky ny faritanin’i Keilà.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Keila, ho an’ny fehiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak'i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin'ny antsasaky ny fehin'i Keila, ho an'ny fehiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Teo anilan’io dia nanamboatra koa ny levita*, dia i Rehoma, zanak’i Bany. Teo anilan’ireo dia nanamboatra koa i Hasabia, komandin’ny antsasaky ny faritr’i Keila, ho an’ny faritra misy azy.

Jereo ny toko



Nehemia 3:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin’ireo ho tonian’ny asa fanorenana ny tranon’ny TOMPO; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara;


i Sekanià sy i Harîma ary i Meremota,


Nanarakaraka an’i Saloma, dia i Nehemià, zanakalahin’i Hazboko sady komandin’ny antsasaky ny faritr’i Bety-Tsora, no namboatra ny manda ka tafapaka tandrifin’ireo fasan’i Davida sy ny dobo izay natao ary ny trano fonenan’ny miaramila maherifo.


Nanarakaraka azy dia namboatra koa ny levita namany notarihin’i Binoy zanakalahin’i Henadada sady komandin’ny antsasaky ny faritr’i Kehilà;


Namboatra nanarakaraka azy i Refaià zanakalahin’i Hora sady komandin’ny antsasaky ny faritr’i Jerosalema.


Ry i Jesoa sy i Binoy, i Kadmiela sy i Sebanià, i Bony sy Serebià, ary i Banỳ sy i Kenany dia nitsangana teo ambonin’ny lampihazo natokana ho an’ny levita ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO Andriamaniny.


i Kehilà, i Akziba, ary i Maresà; izany hoe tanàna sivy samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.