ary na iza na iza tsy tonga anatin’ny telo andro, araka ny tenin’ireo lehibe sy loholona, dia horobaina ny fananany rehetra ary hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana israelita izy.
Nehemia 13:28 - DIEM PROTESTANTA Ny anankiray tamin’ny zanakalahin’i Jôiadà sady zafin’i Eliasiba mpisorombe dia vinantolahin’i Sanebalato ilay Hôrônita, ka dia noroahiko niala tao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary vinanton’i Sanibala horonita ny iray tamin’ny zanak’i Joiada, zanak’i Eliasiba, Mpisoronabe, dia noroahiko niala teo amiko izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny anankiray tamin’ny zanakalahin’i Jôiadà sady zafin’i Eliasiba mpisorombe dia vinantolahin’i Sanebalato ilay Hôrônita, ka dia noroahiko niala tao Jerosalema. Baiboly Katolika Ny iray amin’ny zanak’i Jôiadà, zanak’i Eliasiba mpisorona lehibe, dia vinantolahin’i Sanabalata, ka noroahiko hiala teo amiko. Baiboly Protestanta Malagasy Ary vinanton’i Sanbala Horonita ny anankiray tamin’ny zanak’i Joiada, zanak’i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy. Malagasy Bible Ary vinanton'i Sanbala Horonita ny anankiray amin'ny zanak'i Joiada, zanak'i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy. La Bible en Malgache Ary vinanton’i Sanibala horonita ny iray tamin’ny zanak’i Joiada, zanak’i Eliasiba, Mpisoronabe*, dia noroahiko niala teo amiko izy. |
ary na iza na iza tsy tonga anatin’ny telo andro, araka ny tenin’ireo lehibe sy loholona, dia horobaina ny fananany rehetra ary hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana israelita izy.
I Jesoa no ray niteraka an’i Jôiakima; i Jôiakima no ray niteraka an’i Eliasiba; i Eliasiba no ray niteraka an’i Jôiadà;
Tamin’ny andro naha mpisorombe an’i Eliasiba sy i Jôiadà ary i Jôhanàna sy i Jadoa, dia natao an-tsoratra ny levita izay loham-pianakaviana; ary toy izany koa ny mpisorona, ka nitohy hatramin’ny nanjakàn’i Dariôsa amperôran’i Persia izany.
Dia nifandahatra tamin’ireo lehilahy ireo aho ka nanozona azy; nokapohiko aza ny sasany ary norombotako ny volon-dohany. Dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra aho mba tsy hanome ny zanakavaviny ho vadin’ny hafa firenena, ary mba tsy haka ny zanakavavin’ny hafa firenena ho vadin’ny tenany na ny zanakalahiny; sady hoy aho hoe:
Raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy, dia samy sosotra tokoa satria nisy lehilahy tonga hikarakara izay hahasoa ny Israelita.
Fa raha nahare izany i Sanebalato ilay Hôrônita sy i Tôbià ilay Hamônita mpanampy azy ary i Gesema ilay Arabo, dia nanaraby sy naneso anay hoe: –Inona izao zavatra hataonareo izao? Hikomy amin’ny amperôra angaha ianareo?
Dia nanomboka asa i Eliasiba mpisorombe mbamin’ireo mpisorona namany, ka niara-namboatra ny vavahadin’ny Ondry; dia nanamasina izany ry zareo, vao nandatsaka ny lela-vavahadiny. Ary nohamasininy koa ny manda hatrany amin’ny tilikambon’ny Zatolahy sy ny tilikambo Hananela.
Rehefa ren’i Sanebalato sy i Tôbià mbamin’ny Arabo sy ny Hamônita ary ny Asdôdita fa mandroso ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema ka efa ho voatampina ny banga, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
Hataoko fongotra isa-maraina ny olon-dratsy rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana mba ho foana avokoa ny mpanao ratsy ao amin’ny tanànan’ny TOMPO.
Ny mpanjaka, rehefa mipetraka hanao fitsarana, dia mahita ratsy isan-karazany raha vao mijery.