Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an’i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.
Nehemia 13:26 - DIEM PROTESTANTA –Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy izany va no nanotan’i Solomona, mpanjakan’ny Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ny firenena maro, fa tian’Andriamaniny izy ka nataon’Andriamanitra mpanjaka tamin’ny Israely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena. Baiboly Katolika Moa tsy izao indrindra va no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy, teo amin’ny firenena maro; tian’ny Andriamaniny izy; nataon’Andriamanitra mpanjaka amin’i Israely rehetra izy. Kanefa izy koa dia notarihin’ireo vehivavy hafa firenena ho amin’ny fahotana. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy izany va no nanotan’i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ny firenena maro, fa tian’Andriamaniny izy ka nataon’Andriamanitra ho mpanjaka tamin’ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena. Malagasy Bible Tsy izany va no nanotan'i Solomona, Mpanjakan'i Isiraely? kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin'ny firenena maro, fa tian'Andriamaniny izy ka nataon'Andriamanitra ho mpanjaka tamin'ny Isiraely rehetra; kanefa na dia izy aza dia, nampanotain'ny vehivavy hafa firenena. La Bible en Malgache Tsy izany va no nanotan’i Solomona, mpanjakan’ny Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy tany amin’ny firenena maro, fa tian’Andriamaniny izy ka nataon’Andriamanitra mpanjaka tamin’ny Israely rehetra; kanefa na dia izy aza dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena. |
Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an’i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.
Koa indro fa araka ny teninao no ataoko: omeko saina hendry sy mahay manavaka ianao, ka tsy hisy tahaka anao na ny olona tany alohanao na ny olona any aorianao.
Ary na izay tsy nangatahinao aza dia omeko anao koa, dia ny harena amam-boninahitra, ka tsy hisy mpanjaka hitovy aminao amin’ny andronao rehetra.
koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.
I Salômôna mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin’ny tany tamin’ny harena sy ny fahendrena.
Aza omena ny vehivavy ny herinao. Aoka tsy ireo vehivavy manimba mpanjaka no hibaiko ny fitondrantenanao!
Hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy izay toy ny fandrika. Ny fitiavany dia toy ny harato ary ny sandriny toy ny fatorana. Izay lehilahy sitrak’Andriamanitra dia afa-mandositra azy, fa ny mpanota kosa: ho azony.