Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 13:18 - DIEM PROTESTANTA

Nanao ratsy toy izao ny razanareo ka dia nahatran’Andriamanitsika amintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao. Ianareo kosa, noho ny tsy anajanareo ny sabata, dia efa mampitombo ny fahatezeran’Andriamanitra amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy nanao toy izao va ny razanareo ka nahatran’Andriamanitsika tamintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao? Fa izao ianareo dia efa mampitombo indray ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ny Israely amin’ny andotoanareo ny Sabata.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanao ratsy toy izao ny razanareo ka dia nahatran’Andriamanitsika amintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao. Ianareo kosa, noho ny tsy anajanareo ny sabata, dia efa mampitombo ny fahatezeran’Andriamanitra amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy toy izao indrindra va no nataon’ny razanareo, ka nampidiran’Andriamanitra izao loza manjò antsika sy ity tanàna ity izao? Ary inty indray ianareo manampy ny hatezerany amin’i Israely, amin’ny fandotoana ny sabata!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran’Andriamanitsika amintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa hianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ny Isiraely amin’ny andotoanareo ny Sabata.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran'Andriamanitsika amintsika sy amin'ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin'ny Isiraely amin'ny andotoanareo ny Sabata.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy nanao toy izao va ny razanareo ka nahatran’Andriamanitsika tamintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao? Fa izao ianareo dia efa mampitombo indray ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ny Israely amin’ny andotoanareo ny Sabata.

Jereo ny toko



Nehemia 13:18
16 Rohy Ifampitohizana  

Raha misy vary na entana hafa amidin’ny valovotaka amin’ny andro sabata na amin’ny andro fety, dia tsy hovidinay; ary, isaky ny taona fahafito, dia tsy hambolenay ny tany sady hafoinay ny trosa rehetra.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO,


Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema ireo amin’ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanàna; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty.»


Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.


Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin’ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalànany sy ny didiny ary ny fampitandremany.


Hadinonareo angaha ireo ratsy nataon’ny ray aman-dreninareo, nataon’ny mpanjaka sy ireo mpitondran’i Joda ary nataon’ny tenanareo sy ny vadinareo tao amin’ny tanin’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema?


Horobainy ny fitafianao sy ny firavaka fihaingoanao.


Notohizany ny fiainam-pijangajangana efa nataony tany Ejipta. Fa tany, fony mbola tanora izy, dia nisy lehilahy nandry taminy sy nitsapatsapa ny nonony somondrara ka nanaram-po nijangajanga taminy.


«Raha amin’izany no tsy henoinareo ihany Aho, dia mbola hofaiziko impito henin’izany ianareo noho ny fahotanareo.


dia hamely anareo amin’ny fahatezerako Aho; ka Izaho mihitsy no hitondra famaizana impito henin’izany noho ny fahotanareo.


ka velom-panontaniana anakampo hoe: Rahoviana no hifarana ny fetin’ny tsinam-bolana ka hivarotantsika vary? Rahoviana no hifarana ny sabata, mba hanokafantsika ny sompitra? Hohakelezintsika ny zinga famarana, hampitombointsika ny vato fandanjana, mizàna mandainga no hampiasantsika,


Ary ianareo, ry andian’olona mpanota, indreo ianareo fa manara-dia ireo rainareo ka hampirehitra indray ny fahatezeran’ny TOMPO amin’ny Israelita.