Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 44:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin’ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalànany sy ny didiny ary ny fampitandremany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin’NY TOMPO, fa tsy nihaino ny feon’NY TOMPO ianareo, na nandeha araka ny lalànany sy ny didiny ary ny teny vavolombelony, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin’izao anio izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Izao loza izao no mihatra aminareo dia noho ny nanoloranareo zava-manitra mifangaro ho an’ny andriamani-kafa sy nanotanareo tamin’ny TOMPO: tsy nihaino izay nolazainy taminareo manko ianareo sady tsy nanaraka ny lalànany sy ny didiny ary ny fampitandremany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Satria ianareo nanolotra emboka manitra sy nanota tamin’i Iaveh, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh, ny lalàny sy ny fitsipika aman-didiny; dia noho izany no niharan’izao loza manjò anareo izao ianareo, araka izao hita anio izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin’i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon’i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony hianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin’izao anio izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Noho ny nandoroanareo ditin-kazo manitra sy ny nanotanareo tamin'i Jehovah, fa tsy nihaino ny feon'i Jehovah, na nandeha araka ny lalàny sy ny didiny ary ny teny vavolombelony ianareo, dia izany no nahatonga izao loza izao taminareo tahaka ny amin'izao anio izao,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 44:23
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary hisy olona hamaly hoe: «Satria nilaozan’ny Israelita ny TOMPO Andriamaniny, dia Ilay nitondra ny razany niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin’andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan’ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.»


Nolaviny ny lalànan’Andriamanitra sy ny fanekempihavanana izay nataony tamin’ny razany ary ny fampitandremana nananarany azy. Nanenjika zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa; ary nanaraka ny hafa firenena manodidina azy sady efa nandraran’ny TOMPO azy tsy hotahafina.


Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.


Nanao ratsy toy izao ny razanareo ka dia nahatran’Andriamanitsika amintsika sy amin’ity tanàna ity izao loza rehetra izao. Ianareo kosa, noho ny tsy anajanareo ny sabata, dia efa mampitombo ny fahatezeran’Andriamanitra amin’i Israely.


Izaho dia mamarin-dranomaso, satria tsy voatandrina ny lalànanao.


Ireo mpanenjika ahy manatona heloka; ny lalànanao kosa halaviriny.


Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena, satria tsy ny lalànanao no katsahiny.


Tsy nitandro ny fanekempihavanana nifanaovany tamin’Andriamanitra izy, fa tsy nety hanaraka ny lalànany;


Nefa nihantsy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy sy nandika ny didiny;


Koa ambarao azy hoe: Izao no lazain’ny TOMPO: ‹Mihainoa Ahy ianareo ka araho ny lalàna izay nomeko anareo;


Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.


Mandraka androany dia tsy mbola nisy na iray aza nanenina na nanaja Ahy ka nanaraka ny lalànako sy ny fitsipiko izay nomeko anareo sy ny razanareo.› »


Nefa hatramin’izay tsy nanoloranay fanatitra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izay, dia tsy manana na inona na inona intsony izahay sady matin’ny ady sy ny mosary.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Hitanareo ny loza rehetra izay nampihariko tamin’i Jerosalema sy ireo tanàna hafa rehetra tany Joda. Ankehitriny ireny dia efa lao sady tsy misy mponina intsony ao aminy,


–Moa tsy efa nanolotra ireny fanatitra ireny tany an-tanànan’i Joda sy teny an-dalamben’i Jerosalema tokoa ve ny tenanareo sy ny ray aman-dreninareo ary ny mpanjakanareo sy ny mpitondra anareo mbamin’ny sarambabem-bahoaka? Koa heverinareo va fa tsy hitan’ny TOMPO sady hadinony ireny?


satria nampahasosotra Ahy ny mponina tao tamin’ireo ratsy nataony, fa nandeha nanao sorona sy nanompo ireo andriamani-kafa izay tsy misy ifandraisana aminy na aminareo na amin’ny razanareo akory izy.


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Efa nanota dia nanota i Jerosalema, ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko. Izay rehetra nanaja azy mamingavinga satria mahita azy mitanjaka. Na ny tenany aza dia misento sady lasa nihodina.


Araka izay voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy, ireo loza rehetra ireo dia tonga taminay, kanefa tsy nifona teo anatrehanao Tompo Andriamanitray izahay mba hialanay amin’ny helokay sady tsy niraika akory tamin’ny fahamarinanao.


Tsia, fa ny zavatra atao sorona amin’ny sampy dia aterina ho an’ny demony fa tsy ho an’Andriamanitra; ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony ianareo.


Ahoana no hifandraisan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Honina eo aminy Aho ary handeha eo afovoany, dia ho Andriamaniny Aho ary izy ireo ho vahoakako.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra