Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina.
Nehemia 12:46 - DIEM PROTESTANTA Tamin’ny andron’i Davida manko dia i Asafa no lehiben’ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin’ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa aza dia efa nisy lehiben’ny mpihira sy mpanao hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’ny andron’i Davida manko dia i Asafa no lehiben’ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin’ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra. Baiboly Katolika Tamin’ny andron’i Zôrôbabela sy i Nehemia, i Israely rehetra dia nanome isan’andro ny anjaran’ny mpihira sy ny mpiandry varavarana. Nomena ny Levita ny fanatitra masina, dia ny Levita kosa indray no nanome ny anjaran’ny taranak’i Aarôna. Baiboly Protestanta Malagasy Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’Andriamanitra. Malagasy Bible Fa fahiny tamin'ny andron'i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan'ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an'Andriamanitra. La Bible en Malgache Fa fahiny tamin’ny andron’i Davida sy i Asafa aza dia efa nisy lehiben’ny mpihira sy mpanao hira fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra. |
Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina.
Ary i Hezekià sy ny manampahefana dia nanainga ny levita mbola hidera ny Tompo tamin’ny tononkiran’i Davida sy ny an’i Asafa mpahita; ka nihira fiderana tamin-kafaliana izy, avy eo dia niondrika sy niankohoka hitsaoka ny TOMPO.
i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.
Salamo nataon’i Asafa . Tsara mihitsy Andriamanitra amin’i Israely, dia amin’izay rehetra madio fo.