Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 12:35 - DIEM PROTESTANTA

taorian’ireo ny sasany tamin’ny mpisorona mpitondra trompetra; avy eo i Zakarià, zanakalahin’i Jônatàna sy zafin’i Semahià sy zafiafin’i Matanià sy zafin-dohalik’i Mikaià sy zafin-kitrokelin’i Zakora ary zafim-paladian’i Asafa,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nitondra trompetra ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona, dia i Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora, zanak’i Asafa,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

taorian’ireo ny sasany tamin’ny mpisorona mpitondra trompetra; avy eo i Zakarià, zanakalahin’i Jônatàna sy zafin’i Semahià sy zafiafin’i Matanià sy zafin-dohalik’i Mikaià sy zafin-kitrokelin’i Zakora ary zafim-paladian’i Asafa,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

mbamin’ny rahalahiny, Semeiàsa, Azareela, Malalay, Galalay, Maay, Natanaely, Jodà, ary Hananỳ, nitondra ny zava-manenon’i Davida, olon’Andriamanitra. I Esdrasa mpanora-dalàna no nialoha an’ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora, zanak’i Asafa,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny sasany tamin'ny taranaky ny mpisorona nitondra trompetra, dia Zakaria, zanak'i Jonatana, zanak'i Semaia, zanak'i Matania, zanak'i Mikaia, zanak'i Zakora, zanak'i Asafa,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nitondra trompetra ny sasany tamin’ny taranaky ny mpisorona, dia i Zakaria, zanak’i Jonatana, zanak’i Semaia, zanak’i Matania, zanak’i Mikaia, zanak’i Zakora, zanak’i Asafa,

Jereo ny toko



Nehemia 12:35
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny an’ny zanakalahin’i Asafa dia ry i Zakora sy i Jôsefa ary i Netanià sy i Asarelà. Ireo zanakalahin’i Asafa ireo dia notarihin’i Asafa rainy izay nampita an-kira ny hafatr’Andriamanitra araka ny fitarihan’ny mpanjaka.


Indro miaraka aminay Andriamanitra mba ho mpitarika anay; ary indreo ny mpisorony vonona hitsoka ny trompetra avo faneno mba hanaingana hamely anareo. Koa aza miady amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ry Israelita tavaratra, fa tsy hahomby ange ianareo!»


Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemàna ary i Jedotòna mbamin’ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan’ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan’ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.


i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.


i Joda sy i Benjamîna ary i Semahià sy i Jeremià;


mbamin’ireo naman’i Zakarià, dia i Semahià sy i Hazarela, i Milalay sy i Gilalay; i Mahay sy i Netaneela, ary i Joda sy i Hananỳ, izay samy nitondra ny zava-maneno namboarin’i Davida olon’Andriamanitra. I Hezrà mpahay lalàna no nialoha ireo mpiray dia ireo.


ka mpisorona fito samy mitondra trompetra iray avy no hialoha ny Vatamasina. Amin’ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary mandritra izany aoka ny mpisorona hitsoka ny trompetrany.