Nehemia 12:29 - DIEM PROTESTANTA sy avy any Bety-Gilgala ary avy amin’ny faritr’i Geba sy i Hazmavety; fa efa nanao tanàna kely ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary i Bety-Gilgala sy ny sahan’i Geba ary Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sy avy any Bety-Gilgala ary avy amin’ny faritr’i Geba sy i Hazmavety; fa efa nanao tanàna kely ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. Baiboly Katolika sy Bety-Galgalà, ary ny faritanin’i Gebà sy i Azmaveta; fa nanao vohitra ho azy teny amin’ny manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. Baiboly Protestanta Malagasy sy Beti-gilgala ary ny sahan’i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. Malagasy Bible sy Beti-gilgala ary ny sahan'i Geba sy Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an'i Jerosalema ny mpihira. La Bible en Malgache ary i Bety-Gilgala sy ny sahan’i Geba ary Azmaveta; fa efa nanao vohitra ho azy manodidina an’i Jerosalema ny mpihira. |
Ny sasany tamin’ny taranak’i Benjamîna kosa dia nonina tamin’ireto tanàna ireto: i Geba, i Mikmasy, i Haià, i Betela sy ireo tanàna kely miankina aminy,
Dia tafangona ny mpihira avy any ambanivohitr’i Jerosalema sy avy amin’ny tanàna kely akaikin’i Netôfà
Samy nidio tena ny mpisorona sy ny levita; ary nodioviny koa ny olona sy ny vavahady ary ny manda.
Reko ihany koa fa tsy voaloa ny fiveloman’ny levita; ka dia samy efa nandositra ho any an-tsahany avy ireo levita, toy izay hanao ny raharaha fanompoany. Toy izany koa no nihatra tamin’ny mpihira.
(I Gerizima sy i Hebala dia tendrombohitra roa any an-dafy andrefan’ny ony Jôrdàna, any amparan’ny lalana miankandrefana, eo amin’ny tanin’ireo Kanahanîta monina ao amin’ny faritr’i Harabà; ireo tendrombohitra roa ireo dia eo akaikin’ny ôakan’i Môrà, tandrifin’i Gilgala).
Avy teo dia niverina ho an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy.
Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna koa ny nomena ny taranak’i Aharôna dia i Gibehôna, i Geba,
Avy eo dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Androany no nanesorako taminareo ny henatra izay nentinareo avy tany Ejipta. Izany no niantsoana an’io toerana io hoe Gilgala mandraka androany.