Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nehemia 11:17 - DIEM PROTESTANTA

i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa, no mpiventy hira, rehefa natao ny vavaka fisaorana; ary i Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ny rahalahiny, izay vao i Abda, zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

i Matanià zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zabdy ary zafiafin’i Asafa ka izy no mpiventy ny hira fiderana amin’ny fotoam-pivavahana; i Bakbokià rahalahin’i Matanià sady mpanampy azy amin’ny hira; ary i Habdà, zanakalahin’i Samoa sy zafin’i Galala ary zafiafin’i Jedotona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

i Mataniasa zanak’i Mikà zanak’i Zebedey zanak’i Asafa, ilay lehibe mpiventy ny hira fiderana amin’ny fivavahana; i Bekbekiasa ilay nanarakaraka teo amin’ireo rahalahiny, sy i Abdà zanak’i Samoà zanak’i Galala zanak’i Isditòna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

I Matania, zanak’i Mika, zanak’i Zabdy, zanak’i Asafa, no mpiventy hira, rehefa natao ny vavaka fisaorana; ary i Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ny rahalahiny, izay vao i Abda, zanak’i Samoa, zanak’i Galala, zanak’i Jedotona.

Jereo ny toko



Nehemia 11:17
15 Rohy Ifampitohizana  

Nanan-janakalahy tanora nantsoina hoe Mikà i Mefibôseta, ary ny olona rehetra tao an-tranon’i Tsibà dia nanompo an’i Mefibôseta avokoa.


Nisy levita sasany notendren’i Davida ho amin’ny fanompoana teo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO mba hampahatsiaro sy hidera ary hanome voninahitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Niaraka tamin’ny mpisorona ry i Hemàna sy i Jedotòna ary ireo sisa voafidy sy voatondro anarana mba hidera ny TOMPO noho ny fitiavany maharitra mandrakizay.


i Bakboko, zanakalahin’i Heresa sy zafin’i Galala; i Matanià, zanakalahin’i Mikà sy zafin’i Zikrỳ ary zafiafin’i Asafa;


i Mikà sy i Rehoba ary i Hasabià,


i Sabetahy sy i Jôzabada, anisan’ny lohandohan’ny levita sady tonian’ny raharaha teo ivelan’ny tranon’Andriamanitra;


Ny levita rehetra, tao amin’ny tanàna masina, dia 284.


Ny lohandohan’ny levita, izany hoe i Hasabià sy i Serebià ary i Jesoa mbamin’ny Binoy sy i Kadmiela, dia nifanatrika tamin’ireo levita namany mba hidera sy hisaotra an’Andriamanitra, rehefa tonga ny anjara fanompoany. Ny fandaharana nataon’i Davida olon’Andriamanitra no narahiny tamin’izany.


Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matanià sy i Bakbokià, i Hôbadià sy i Mesolama, ary i Talmôna sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian’entana teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly.


Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ny manda ireo mpanapaka an’i Joda; ny mpihira kosa nozaraiko ho antokony roa lehibe mitandahatra tsara. Ny antoko mpihira voalohany dia niroso teny ambonin’ny manda, tamin’ny ilany ankavanana mankeny amin’ny Vavahadin’ny Fanariam-pako;


Tamin’ny andron’i Davida manko dia i Asafa no lehiben’ny mpihira ary nisy ny mpitarika antoko-mpihira mbamin’ny hira fiderana sy fisaorana ho fankalazana an’Andriamanitra.


Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana.