Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 9:32 - DIEM PROTESTANTA

Koa izao anio alina izao ihany dia miaingà ianao sy ny tafikao ka miafena any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa ankehitriny, miaingà amin’ny alina ianao sy ny vahoaka miaraka aminao ka manaova vela-pandrika any an-tsaha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa izao anio alina izao ihany dia miaingà ianao sy ny tafikao ka miafena any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

koa miarena mbola alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, avia hanotrika any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa ankehitriny, miaingà alina hianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa ankehitriny, miaingà amin’ny alina ianao sy ny vahoaka miaraka aminao ka manaova vela-pandrika any an-tsaha.

Jereo ny toko



Mpitsara 9:32
9 Rohy Ifampitohizana  

Izay teny lazainy dia heloka sy fitaka; nofy azy mihitsy ny hoe hanao ny tsara.


Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.


«Mailaka erỳ izy raha ndeha handatsaka aina,


Dia niainga hamely an’i Hay i Josoa sy ny tafiny. Ary i Josoa nifidy lehilahy mahery fo miisa telo alina, dia naniraka azy nony alina


sady nanome baiko azy hoe: –Mandehana mamitsaka ao ivohon’ny tanàna ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona.


Koa nandefa iraka miafina ho any amin’i Abimelèka izy hanao hoe: –Indro tonga eto Sekema i Gahala, zanakalahin’i Hebeda, sy ireo rahalahiny ka manainga ny eto an-tanàna hikomy aminao.


Ary rahampitso maraina, vao miposaka ny masoandro, dia tongava hanafika ny tanàna; ka rehefa mivoaka hifanehatra aminao i Gahala sy ny olona mpomba azy dia ataovy araka ny tokony hafitsokao aminy.