Ary ny mpanjaka nanao izao fianianana izao taminy: –Velona ny TOMPO, Izay nanafaka ahy tamin’ny fahoriana rehetra,
Mpitsara 8:19 - DIEM PROTESTANTA Fa hoy i Gidehôna taminy: –Rahalahiko, zanakalahin’ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Gideona: Rahalahiko, zanaky ny reniko, ireo. Raha velona koa NY TOMPO, tsy mba hovonoiko ianareo raha novelominareo ireo! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa hoy i Gidehôna taminy: –Rahalahiko, zanakalahin’ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo! Baiboly Katolika Ka hoy izy: «Ny rahalahiko, zanak’i neny indrindra izany. Velona i Iaveh! Tsy matiko ianareo, raha namelona an’ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko, ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko hianareo, raha novelominareo ireo. Malagasy Bible Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo. La Bible en Malgache Hoy i Gideona: Rahalahiko, zanaky ny reniko, ireo. Raha velona koa NY TOMPO, tsy mba hovonoiko ianareo raha novelominareo ireo! |
Ary ny mpanjaka nanao izao fianianana izao taminy: –Velona ny TOMPO, Izay nanafaka ahy tamin’ny fahoriana rehetra,
Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.
Ary nandidy an’i Jetera zanany lahimatoa i Gidehôna hoe: –Mitsangàna, vonoy ho faty ireo! Fa tsy sahy nanatsoaka ny sabany ilay zatovolahy, satria mbola tanora loatra izy ka natahotra.
Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.