Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 3:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hanavotra anao izy dia tsara izany, aoka izy no hanavotra anao; fa raha toa ka tsy hanao izany izy dia izaho no hanavotra anao, raha velona koa NY TOMPO! Mitoera ihany atỳ mandra-paharain’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany hianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hanavotra anao izy dia tsara izany, aoka izy no hanavotra anao; fa raha toa ka tsy hanao izany izy dia izaho no hanavotra anao, raha velona koa NY TOMPO! Mitoera ihany atỳ mandra-paharain’ny andro.

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 3:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Nampianatra ny vahoakako hianiana amin’ny Bahala ireo ratsy fanahy ireo; kanefa raha mianatra tsara ny fanaon’ny vahoakako izy ka hianiana amin’ny anarako hoe: ‹Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...›, dia hanam-ponenana indray eo anivon’ny vahoakako.


Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.


Antsoiko ho vavolombeloko Andriamanitra, satria fantany ny ato am-poko: fitsimbinako anareo no nahatapa-kevitra ahy tsy hiverina any Kôrinto.


Raha mianiana ny olona, dia manao izany amin’ny anaran’izay lehibe noho ny tenany, ka ny fianianana no ho antoka mafy fa hitsahatra hatreo ny fifandirana.


Fa hoy i Gidehôna taminy: –Rahalahiko, zanakalahin’ny reniko mihitsy ireny. Velona ny TOMPO ka mianiana aho fa raha tsy novonoinareo ho faty ireny, dia tsy hovonoiko ho faty koa ianareo!


Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.


Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.


Dia hoy kosa i Bôhaza: –Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.


Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra