ny terak’i Pahata-Môaba, izany hoe ireo taranak’i Jesoa sy i Jôaba, dia nisy lehilahy 2 812;
Mpitsara 8:16 - DIEM PROTESTANTA Dia nalain’i Gidehôna ny tsilo sy ny songosongo avy tany an-taniefitra ka nofaiziny tamin’ireny ireo loholona tao Sokôta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-tany efitra sy songosongo ka ireny no noentiny nandrotidrotehana ny mponina tao Sokota. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nalain’i Gidehôna ny tsilo sy ny songosongo avy tany an-taniefitra ka nofaiziny tamin’ireny ireo loholona tao Sokôta. Baiboly Katolika Dia nosamboriny ny loholona tao an-tanàna, ary rehefa nandray tsilo any an’efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokôta izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota. Malagasy Bible Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota. La Bible en Malgache Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-tany efitra sy songosongo ka ireny no noentiny nandrotidrotehana ny mponina tao Sokota. |
ny terak’i Pahata-Môaba, izany hoe ireo taranak’i Jesoa sy i Jôaba, dia nisy lehilahy 2 812;
Ahitana fahendrena ny tenin’ny manan-tsaina; fa tsorakazo kosa no ho an’ny lamosin’ny bado.
Ny famaizana dia natao ho an’ny mpaniratsira, ary ny kapoka ho amin’ny lamosin’ny adala.
Ny tsara indrindra aminy dia toy ny roy, ary ny mahitsy indrindra aminy dia ratsy noho ny fefy tsilo. Ho avy ny andro famaizana anareo araka ny nambaran’ireo mpaminany mpitilinareo; ary, ankehitriny aza, dia efa manahy mafy ianareo.
Avy eo dia nankany amin’ny mponina tao Sokôta i Gidehôna ka nanao taminy hoe: –Indreto i Zebaha sy i Tsalmonà izay nanesoanareo ahy hoe: «Ahoana moa izahay no hanome hanina ny tafikao efa reraka? Efa eo ambany fahefànao sahady angaha i Zebaha sy i Tsalmonà?»
Dia hoy i Gedehôna hoe: –Ho hitanareo izany fa rehefa hatolotry ny TOMPO eo an-tanako i Zebaha sy i Tsalmonà, dia horovitiko amin’ny tsilo sy songosongo avy any an-taniefitra ny hoditrareo.