Natsitokotokon’i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin’ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hôbà, any avaratr’i Damasy.
Mpitsara 7:16 - DIEM PROTESTANTA Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nozarainy telo toko ny telonjato lahy ka samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tanany sy siny tsy nisy rano ary fanilo tao anatin’ny siny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny. Baiboly Katolika Nozarainy telo izy telon-jato lahy, ka samy nomeny trômpetra sy siny foana avokoa; ary fanilo tao anaty siny, Baiboly Protestanta Malagasy Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin’ny siny. Malagasy Bible Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny. La Bible en Malgache Dia nozarainy telo toko ny telonjato lahy ka samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tanany sy siny tsy nisy rano ary fanilo tao anatin’ny siny. |
Natsitokotokon’i Abrama ireo mpanompony mba hanafihana azy amin’ny alina. Dia resiny ireo mpanjaka, ka nenjehiny hatrany Hôbà, any avaratr’i Damasy.
Nasain’i Davida hiainga ny tafiny; ka ny ampahatelony nofehezin’i Jôaba, ny ampahatelony hafa nofehezin’i Abisay zanakalahin’i Tseroià sady rahalahin’i Jôaba, ary ny ampahatelo farany nofehezin’i Itàhy izay avy any Gata. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireto miaramila: «Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo».
Izahay mitondra izany raki-tsoa izany kosa dia toy ny vilany tany ihany, mba hahitana tsara fa izao hery tsy manan-tsahala izao dia an’Andriamanitra fa tsy anay.
Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehôna, dia niankohoka hisaotra an’Andriamanitra. Ary niverina tany amin’ny tobin’ny Israelita izy ka niantso hoe: –Mitsangàna ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin’ny Midianita.
Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho.
Ny ampitso dia nozarain’i Saoly ho antoko telo ny tafiny izay niditra tao amin’ny tobin’ny fahavalo talohan’ny madiva haraina ary namely ny Hamônita hatramin’ny mitataovovonana. Ny sisa tsy maty dia niparitaka tsy afa niara-droa akory.