Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 7:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia nanome baiko ireo izy hoe: –Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin’ny toby aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 dia hoy izy tamin’izy ireo: «Izaho no hojerenareo, ary izay hataoko no hataonareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy hianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ny sisin’ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo ka manaova araka izay ataoko; koa rehefa mankany amin’ny sisin’ny toby aho dia izay ataoko no hataonareo koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 7:17
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany: –Raha misy te hiara-dia amiko, dia aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ary hiaraka amiko.


Manafahy ahy ianareo, tahaka ny anafahako an’i Kristy!


Tsarovy ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero izay niafaran’ny fiainany ka alao tahaka ny finoany.


tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara fiandrasana fa ho fakàn-tahaka harahin’ny andianondry;


Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny.


Raha mitsoka trompetra ny tenako sy ny olona miaraka amiko, dia mba mitsofa trompetra manodidina ny toby koa ka miantsoantsoa hoe: «Ho an’ny TOMPO sy ho an’i Gidehôna!»


Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmôna i Abimelèka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra