Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.
Mpitsara 6:18 - DIEM PROTESTANTA Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: –Hijanona eto Aho mandra-piverinao. Baiboly Katolika Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao, mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.» Dia hoy i Iaveh: «Hiandry mandra-piverinao Aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Masìna Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny. Izaho hiandry mandra-piverinao. Malagasy Bible Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao. La Bible en Malgache Miangavy Anao mba tsy hiala eto mandra-piaviko hitondra fanatitra ka hapetrako eto anatrehanao izany. Dia hoy Izy: Eny, hiandry Aho mandra-piverinao. |
Ka ny anankiray tamin’ireo no nilazany hoe: –Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.
Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: –Tanteraho araka izay nambaranao àry.
Fa noteren’i Lôta fatratra izy, ka nivily ary niditra tao an-tranony. Dia nanamboarany sakafo sy nanendasany mofo tsy misy leviora ireo, ka nihinana.
Ary hoy i Manôà tamin’ilay anjelin’ny TOMPO: –Mba mijanòna kely aloha ianao ambara-pamboatray zanak’osy ho anao.
Dia namaly Azy i Gidehôna hoe: –Raha sitrakao àry, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko.
Dia nandeha i Gidehôna ka namboatra zanak’osy sy mofo tsy misy leviora tamin’ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin’ny terebinta ka natolony ny Tompo.