Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 5:7 - DIEM PROTESTANTA

Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely, mandra-pisehoko izaho Debôrà ho toy ny reny teto amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy nisy mpanapaka intsony teo amin’ny Israely; eny, nitsahatra izany, mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin’i Israely, mandra-pisehoko izaho Debôrà ho toy ny reny teto amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Lao ny tany an-tsahan’i Israely, mandra-pitsangako, izaho Debôrà, mandra-pitsangako izaho reny teo amin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin’ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, Eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy nisy mpanapaka intsony teo amin’ny Israely; eny, nitsahatra izany, mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin’ny Israely.

Jereo ny toko



Mpitsara 5:7
7 Rohy Ifampitohizana  

Amiko dia anisan’ny tia fihavanana sy mahatoky indrindra amin’i Israely ny mponina eto; kanefa dia tadiavinao ho ravana ity tanàna anisan’ny lehibe amin’i Israely ity. Nahoana no holevoninao ny fananan’ny TOMPO?


Koa, noho izany, ny Jiosy izay nitoetra tamin’ny tanàna madinika tany ambanivohitra dia nanao ny andro faha-14 amin’ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana ary fikoranana ka hifanateran-panomezana.


Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.


Veloma any amin’i Rofosy, izay namiratra tokoa tamin’ny fanompoana ny Tompo, ary any amin’ny reniny izay reny ho ahy koa.


Tamin’ny andron’i Samgary zanakalahin’i Hanata sy tamin’ny andron’i Jahela dia nidify ity faritra ity ny andian’ireo mpitaingin-drameva; fa nanaraka lalan-kafa ireo mpandeha.


Nifidy andriamani-baovao ny olona ka vetivety dia vaky ny ady; nefa zara raha nahitana ampinga na lefona iray ho an’ny vatan-dehilahy andiany efapolo teto Israely.