I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka, mandry eo anivon’ny valany izay misy fefy roa sosona.
Mpitsara 5:16 - DIEM PROTESTANTA Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan’ny vala hihaino ny siotsiokan’ny mpiandry ondry? Tao amin’ny fokon’i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany. Baiboly Katolika Nahoana no nijanona teo afovoan’ny tanimbolinao ianao, nihaino ny feon-tsodin’ny mpiandry ondrinao? Teo akaikin’ny sakeli-dranon-dRobena nisy fikasana lehibe tao am-po. Baiboly Protestanta Malagasy Nahoana hianao no nitoetra teo anelanelan’ny vala, Hihainoanao ny feon-tsodina any amin’ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin’ny sakeli-dranon’i Robena! Malagasy Bible Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena! La Bible en Malgache Nahoana ianao no nitoetra teny anelanelan’ny vala ka nihaino fotsiny ny feon-tsodina teny amin’ny ondry? Tsy nisy farany ny adi-hevitra teny amin’ireo sakeli-dranon’i Robena! |
I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka, mandry eo anivon’ny valany izay misy fefy roa sosona.
Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan’ny TOMPO ahy; henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.
«Samy vaky nandositra avokoa na mpanjaka na tafika fahavalo. Ireo vehivavy tavela tao an-trano dia mizarazara ny zavatra voababo.
Manaova tanàna ho an’ny fianakavianareo ary vala ho an’ny ondry aman’osinareo; nefa tanteraho izay fampanantenana naloaky ny vavanareo.
Dia hoy i Mosesy tamin’ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Reobena: –Ahoana hoe? Ny mpiray firenena aminareo handeha hanafika, ka ianareo kosa ve hijanom-potsiny eto?
Fahaverezana no hiafaran’ireo, satria ny zavatry ny tany no hany ankamamîny ka ny kibony no ataony andriamaniny, ny zavatra ahazoany henatra no ataony rehareha.
Ireo lehiben’i Jisakara dia niandany tamin’i Debôrà; ary nifikitra tamin’i Baràka ny fokon’i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin’ny tany lemaka. Tao amin’ny fokon’i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany.