Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Ianao no nanorina izao tontolo izao sy izay rehetra mameno azy.
Mpitsara 4:12 - DIEM PROTESTANTA Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisy nilaza tamin’i Sisera fa i Baraka, zanak’i Abinoama, dia niakatra any amin’ny tendrombohitra Tabara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia notantaraina tamin’i Siserà fa niakatra any an-tendrombohitra Tabôra i Baràka, zanakalahin’i Abinôhama. Baiboly Katolika Nilazana i Sisarà, fa niainga i Baràka zanak’i Abinôema nankany amin’ny tendrombohitra Tabôra, Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisy nilaza tamin’i Sisera fa Baraka, zanak’i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara. Malagasy Bible Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara. La Bible en Malgache Ary nisy nilaza tamin’i Sisera fa i Baraka, zanak’i Abinoama, dia niakatra any amin’ny tendrombohitra Tabara. |
Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Ianao no nanorina izao tontolo izao sy izay rehetra mameno azy.
Ianao no namorona ny avaratra sy ny atsimo; mihoby Anao ny tendrombohitra Tabôra sy Hermôna.
–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»: Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo. Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra amin’ny samy tendrombohitra izany; azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela izay mandòndona eo amoron-dranomasina!
Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,
Raha hatreo Sarida kosa no miantsinanana, ny sisin-tany dia mipaka any amin’ny faritanin’i Kislôta-Jabôra, sy mandroso hatrany Daberata ary miakatra hatrany Jafia.
Ny sisin-tany dia mihazo an’i Jabôra sy i Sahatsaîma ary i Bety-Semesa, ka miafara any Jôrdàna. Ny velaran-tanin’i Jisakara dia nisy tanàn-dehibe 16 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.
Eo andrefan’i Helefa kosa dia mihodina mankany Aznôta-Jabôra ilay sisin-tany ary mandroso hatrany Hakôla. Miolotra amin’ny tanin’i Zebolòna kosa ny sisin-tany, lafy atsimo; miolotra amin’ny tanin’i Asera ny sisin-tany, lafy andrefana; ary i Jôrdàna no sisin-tany, lafy atsinanana.
Tao akaikin’i Kedesa no nisy an’i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin’ireo Kenita hafa taranak’i Hôbaba zaodahin’i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin’ny terebintan’i Tsahananîma izy.
Koa novoriny tao Harôseta-Gôima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin’ny renirano Kisôna.
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.
Avy eo dia nanontany an’i Zebaha sy i Tsalmonà i Gidehôna hoe: –Tahatahaka ny ahoana moa ireo lehilahy izay novonoinareo tao Tabôra? Dia novaliany hoe: –Mitovy aminao izy. Miendrika zanak’andriamanjaka avokoa izy rehetra.