ny faritr’i Negeba; ary, ao amin’ny lohasahan’i Jôrdàna, ny faritanin’i Jerikao (tanàna be rofia), faritany izay tafapaka hatrany Tsôhara.
Mpitsara 3:13 - DIEM PROTESTANTA Ary i Heglôna nivondrona tamin’ny Hamônita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanàna Jerikao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Heglôna nivondrona tamin’ny Hamônita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanàna Jerikao. Baiboly Katolika Nikambana tamin’ny taranak’i Amôna sy i Amaleka, i Eglôna, dia niainga nandeha. Nandresy an’i Israely izy ka nanafaka ny tanànan-drofia. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nampiangona ny taranak’i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. Malagasy Bible Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia. La Bible en Malgache Dia nangoniny ho eo aminy ny taranak’i Amona sy i Amaleka ary nandeha izy ka namely ny Israely dia nahazo ny Tanàna be palma. |
ny faritr’i Negeba; ary, ao amin’ny lohasahan’i Jôrdàna, ny faritanin’i Jerikao (tanàna be rofia), faritany izay tafapaka hatrany Tsôhara.
Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.
Dia hoy ny TOMPO tamin’ny Israelita: –Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amôrita na ny Hamônita sy ny Filistinina
na ny Tsidônianina sy ny Hamalekita ary ny Midianita ka niantso vonjy tamiko ianareo, moa tsy namonjy anareo ho afaka teo an-tanan’ireny va Aho?
Niampita ny ony Jôrdàna mihitsy aza ny Hamônita mba hiady amin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma; ka nijaly mafy ny Israelita.
Ireo taranaka avy any Efraîma dia efa tonga ao an-dohasaha, ka narahin’ny fokon’i Benjamîna izay nifangaro tamin’ny andian-tafiny. Nipoitra avy amin’ny terak’i Makira ireo mpitari-tafika ary avy amin’ny fokon’i Zebolòna ireo manampahefana.
Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin’ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana.