Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nanompo an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba, ny Israelita nandritra ny 18 taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, nandritra ny valo amby folo taona ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nanompo an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba, ny Israelita nandritra ny 18 taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia nanompo an’i Eglôna mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, valo ambin’ny folo taona ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nanompo an’i Eglona, mpanjakan’i Moaba, nandritra ny valo amby folo taona ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Natolony ho eo an-tanan’ny hafa firenena izy, ary tonga nanompo vahoaka mpankahala azy,


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


Hanana fototr’ôliva manerana ny faritaninareo ianareo; nefa tsy hisy menaka hihosoranareo akory, satria hihintsana tsy mbola matoy ny ôlivanareo.


Ary i Heglôna nivondrona tamin’ny Hamônita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanàna Jerikao.


Niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak’i Gerà avy amin’ny fokon’i Benjamîna. Dia nalefan’ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra